Banky Iraisampirenena – Nandrora nitsilany i Andry Rajoelina

Ny Valosoa

Lesona, sinton-tsofina, tehamaina, izay no azo andikàna ny fanambarana nataon’ny Banky Iraisampirenena na ny Banque Mondiale, mitatitra ny teny nataon’ny tale David Malpass mantsy an’i Andry Rajoelina.

Nahazo lesona ara-toe-karena ity farany manoloana ny fiiban’ny harinkarena, nilazan’ny talen’ny banky iraisampirenena fa ilaina ny mifantoka amin’ny fambolena sy fanjarian-tsakafo ka mila velarina ny vokatra hafa ankoatra vary eo amin’ny sehatra. Mazava loatra izany raha tena filoha mitsinjo ny vahoakany saingy an-kevitry ny variana loatra amin-javatra hafa ingahy filoha dia mila atoro.

Teo koa dia nambaran’i David Malpass fa ilaina ny miala amin’ireo mpamatsy herinaratra lafo vidy sy mampijaly vahoaka, sehatra iray tsy ahitàna andro miratra ary mampikaikaika hatramin’izay telo taona sy tapany nitondran’i Andry Rajoelina.

Notsindrin’ny talen’ny banky iraisampirenena ihany koa fa ilaina fanatsaràna ny lafiny fangaraharahàna, ny lafiny fitantànana ary ny ady amin’ny kolikoly. Dia nofaranany tao anaty ny fanambarana fa ilaina ny manao laharampahamehana ny fanaovam-baksiny Covid-19 mba hitondra vokatsoa ara-toe-karena eo amin’ny sehatry ny fizahantany.

Tsikaritra araka izany fa dia filoha tsy mahay mitantana firenena, tsy mahala ny laharampahameha ho an’ny vahoaka, ary tsy mitsinjo ny fahasalamany no mitonantonana mangata-bola amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, toy ny Banky Iraisampirenena, izay nanaovana vava be hoe: “tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra ireo fa na 2030, na 2050, na 2060, tsy ho tafavoka raha miantehitra amin’ireo”.

(Rohy Banky Iraisampirenena)
https://www.worldbank.org/en/news/statement/2022/04/19/readout-from-world-bank-group-president-david-malpass-s-meeting-with-president-andry-nirina-rajoelina-of-madagascar