Fanotronana an’i Clemence – Tonga maro ny TIM, tsy hita ny Komba sy ny Humaniste Ecologique

Stefa

Teny amin’ny zandary Fiadanana, avy eo niakatra teny amin’ny Fitsarana Anosy tao amin’ny fampanoavana ny mpanolotsainan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Clemence Raharinirina ny alakamisy teo. Nahazo LP na afaka mody izy tamin’izany ary amin’ny 4 mey ho avy izao ny fotoam-pitsarana. Hatreny Fiadanana, ka hatreny Anosy, tonga maro ny avy amin’ny antoko TIM sy ny RMDM, nanotrona sy nanohana an’i Clemence Raharinirina, tsy hita kosa ny Komba sy ny Humaniste Ecologique mpanolotsaina ao amin’ny CUA, izay azo lazaina ho mpiara-dia amin’i Clemence ao amin’ny filan-kevitry ny kaominina, nanary azy tamin’ny fotoan-tsarotra.

Anisan’ny nanohana an’i Clemence nandritra izany, ireo depiote TIM eto Antananarivo, ireo mpanolotsainan’ny tanàna avy amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, na avy amin’ny IRD aza i Clemence. Araka ny nambaran’ny depiote TIM avy amin’ny Boriboritany faha-6: Todisoa Andriamampandry: manao tsinontsinona, sy manitsakitsaka ny demokrasia izao fitondrana izao. Eto Antananarivo, izay renivohitr’i Madagasikara nefa dia feno ny fako, mamofona ny tanàna, hoy ihany ity olom-boafidy ity mahakasika ny fitantanan’ny ben’ny tanàna Vazahabe.

Fantatray koa fa misy ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ataon’ny Ben’ny tanána sy ny «adjoint» ary ny Tale ao amin’ny CUA hoy ny depiote Todisoa. “Toy izany koa, misy ny kolikoly avo lenta ataon’ny mpitantana ny tanàna. Izahay dia olona voafidim-bahoaka, ka miaro ny vahoaka. Mijoro koa izahay, miady amin’ny tsy rariny, miady ho an’ny mpanolotsaina namana, izay atao tsinontsinona. Izahay Solombavambahoaka eto an-drenivohitra dia hiaro ny namanay mpanolotsaina, sy hiaro ny vahoaka ary tsy hanaiky lembenana, fa hanaraka hatramin’ny farany ity raharaha ity, na inon-kidona na inon-kihàtra. Ary raha mbola hitohy izao zava-misy izao dia ho hitantsika eo koa ny tohiny”.