NY MPITONDRA ANKEHITRINY

Maneno sahona daholo ireo rehetra izay alehany,
Tsy araky ny fidedahany na koa ny fireharehany.
Tsisy olana voavaha f’izay ataony dia mihitsoka.
(Izay no marika hamantarana ny mpitondra tsisy hafitsoka!)

Amin’ny seha-pitsaboana, raha todihana vita:
Ny mpanampy ny mpitsabo, atao filan-dRatsimahita.
Tsy omena ny karamany, ary arirarira foana,
Nefa olo-mihinan-kanina sy mba mahalala noana!

Amin’ny sehatra ambara fa iraisam-pirenena,
Marobe ireo hagegena, tena mampanongo tena!
Tena diso ny safidy sy ny lalana nizorana:
Manohana mpanani-bohitra “ny mpitondra fozaorana”!

Amin’ny seha-pampianarana dia vao mainka tena loza,
Fa grevy sesilany no miandry ireto foza.
Na mpampianatra na mpianatra dia mihetsika daholo,
Ka manjary toy ny maty ilay Anjerimanontolo!

Amin’ny sehatry ny varotra dia tsy misy zava-banona.
Tsy voafehy ny vidin’entana fa misonga tsy mijanona.
Ireo akaikin’ny mpitondra no manjaka sy mandidy,
Ka dia ny vahoaka hatrany no mizaka ny mangidy!

Filaminana, tsy misy, sady izao no tena lalina:
Mihamitombo ireo mpanendaka na ny antoandro na ny alina.
Ireo bebaoty dia indrisy, tsy miaro ny vahoaka,
Fa nataon’ireo mpitondra hiarovan-tseza sy kapoaka!

…Izay ilay fitondrana misy sy mijoro ankehitriny,
Miaro iretsy mpanambola, akamakama sy vahiny.
Koa meteza isika hijoro, isika izay nampahantraina.
Mifohaza, tonga ny ora, mba meteza ho tonga saina!

DADAN’i RIANA (12-04-22)