Jeunes TIM Toamasina – Na nisy ny sakantsakana, tsy nihemotra ny “randonnée” ny tanora

Isambilo

Na nisy aza ny sakantsakana, tsy nihemotra fa tontosa soa aman-tsara ny “randonnée”, na dia an-tongotra sy fitsangatsanganana nataon’ny Jeunes TIM Toamasina ny sabotsy lasa teo, araka ny nambaran’ny iray amin’ireo komity mpikarakara izany hetsika izany Jean Claude Rakotoarisoa. Nanotrona ny Tanora TIM tamin’izany koa, ireo tanora avy amin’ny vondron’ny mpanohitra: Jeunes RMDM any amin’ny faritra Atsinanana.

Randonnée sy fambolen-kazo no saika ataon’izy ireo tamin’izao hetsika izao. Efa azo ny zanakazo. Efa nanome alalana ny fokontany, ny kaominina, ny Lycée2 Toamasina faha-2, fa tamin’ny ora farany nisintona ny fanomezan-dalana indray izy ireo. Ny olana koa natao verbal na am-bava fotsiny ny fangatahana an’ilay tany saika nambolena hazo dia nivadika tamin’ny teniny avy eo ireo tompon’andraikitra. Dia lasa tsy vita ny fambolenkazo, fa nandeha tany amin’ilay toerana tany Toamasina faha-2 fotsiny ny rehetra.

Teny an-dalana koa aza, nalain’ny polisy sary sy nanontaniany hoe: ho aiza ireo nanao ny dia an-tongotra nolaroina fitsangatsanganana ireo, dia ny valintenin’ireo tanora TIM sy RMDM dia ny hoe: handeha hitsangatsangana. Dia tsy raikitra ny fambolen-kazo, ka lasa dia an-tongotra sy fitsangatsanganana fotsiny no natao. Nanotrona ireo tanora tamin’izao hetsika nataon’izy ireo izao, ireo mpitarika ny DISTIM ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana.