Fitondrana Rajoelina – Tsy ho ela dia ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany

Andry Tsiavalona

Tsy ho ela intsony dia ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany izao fitondrana Rajoelina izao, satria ireo atidoha nantsoina hanarina ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra dia tsy manana traikefa sy fahaiza-manao entina manatanteraka izay andraikitra napetraka taminy. Manaporofo izany ny tranga rehetra mipoitra etsy sy eroa eo amin’ny fiainana ara-tsosialy, ara-politika, ara-toekarena, ara-pandriampahalemana ary ara-tontolo iainana.

Eo amin’ny sehatra sosialy dia efa mampikaikiaika ny vahoaka ny fidangan’ny vidim-piainana. Toa tsy fantatr’izao fitondrana izao, fa miaina ao anatin’ny liberalisma eto Madagasikara, ka tsy azo atao velively ny mametra vidin-javatra, satria miankina amin’ny tolotra sy tinady izany, ka arakarak’izay ny vidin’ny entana eny an-tsena. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana indray dia tsaroana tsara ny fanadianana bakalorea tamin’ny 2009 nisian’ny famerenana izany fanadinana izany, noho ny fisian’ny laza adina nivoaka talohan’ny fotoana. Amin’izao fotoana izao ihany koa dia misy mitaky sara-pisoratana anarana amin’ny fanadinana izay tsy mbola nisy tahaka izany nandritra ny enimpolo taona. Iaraha-mahita ny fijalian’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony noho ny tsy fahaloavan’ny mpitondra ny vatsim-pianarana volana maro. Tsy fantatra intsony na tratry ny tsy fahafahana mandoa vola intsony (cessation de paiement) ny fitondrana, na voahodinkodina amin-javatra hafa ny vola efa natokana amin’izany. Ahilika amin’ny resaka “digitalisation” ny toe-javatra ary andrasana misy hatrany ny fitokonana vao mikoropaka ny mpitondra. Eo amin’ity sehatra ity ihany dia hatramin’ny karaman’ireo mpandraharaha no tsy voaloa. Torak’izany koa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ka mitaraina ireo mpitsabo mpanampy nampiasain’izao fitondrana izao, noho ny resaka covid-19. Ny vahoaka indray dia fahanana izao karazana “tosika” rehetra izao kanefa vonjy tavanandro ihany izany, fa tsy mahavita taona ary tsy mahavaha ny tsy fanjarian-tsakafo velively.
Eo amin’ny sehatry ny politika dia misy goaika antitra manana traikefa eo akainkin-dRajoelina Andry kanefa dia mahagaga fa tsy hain’izy ireo ny manolotsaina azy tsy hanao kilalaon-jaza ny fitantanana ny Firenena. Tsy takona afenina mantsy ny tsy fahamarinan-toerana sy ny korontana ary ady an-trano eo anivon’ny antoko TGV na ireo vondron’antoko Armada na ny Mapar na ny IRD na ny IRK. Tsy misy fahaiza-manao eo amin’ireo mpiaradia amin-dRajoelina Andry ireo, ka mitsapatsapa izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny IEM, PEM, Plan Marshall, Velirano, ka amin’izao herintaona mahery kely sisa amin’ny fepotoana hitondrany izao dia tsy misy vokatra mivaingana: ny teo tsy vita, ampanantenaina indray ny hafa.

Ny toekarena eto Madagasikara izay mifototra amin’ny fambolena izay mitaky fotodrafitrasa na ozinina entina manodina ny vokatra sady miteraka asa ho an’ny tanora koa. Mitotongana ny ariary noho ny tsy fifandanjan’ny fanafarana sy fanondranana entana (balance commerciale). Afarana ny vary avy any ivelany izay mamelona ny mpamboly any kanefa mambotry ny tantsaha malagasy. Manampy trotraka izany ny tsy fifehezan’ny mpitondra ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ary tsy azo ekena ny tsy fitadiavana ireo atidoha mikotrika izany. Manaiky ny mpitondra fa manana ny lisitr’ireo mpandraharaha manondrana entana any ivelany tsy mamerina ny vola vahiny (devise) eto amin’ny Firenena kanefa dia tsy samborina izy ireny sady tsy sahin’ny mpitondra havoaka ho fantatra ny anarany. Toa midika izany fa misy kopaka isasahana ao. Iaraha-mahalala koa fa ataon’izao fitondrana izao ho toy ny omby vavy be ronono ny orinasam-pirenena, Air Mad, Jirama ary efa manara-dia ireo ny Cnaps, amin’izao fotoana izao.

Manana jeneraly aman-jatony ny foloalindahy eto Madagasikara kanefa tsy nisy niatrika ady akory izy ireny, fa toa lasa mpanao politika, ka miaro ny eo amin’ny fitondrana fa tsy “Miaro ny Vahoaka sy ny Fananany”, sy “Ho an’ny Tanidrazana” araka ny teny filamatra isaky ny andian-tafika. Tsy hita isaina intsony ny fitaovam-piadiana mahery vaika eo am-pelatananan’ny tafika kanefa manahirana ny fahafantarana, fa mitaintaina andro aman’alina ny vahoaka any ambany ravinkazo any, noho ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy. Mitangorona an-tanàn-dehibe ny ankamaroany kanefa entina mamoritra izay manao fihetsiketsehana mitaky ny zony fotsiny izy ireo. Notendrena ho mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika indray ny SEG teo aloha, ka mametram-panontaniana ny maro hoe noho ny fahitan’ity jeneraly ity ny zava-miafina tsy hitan’ny olona sa noho ny maha stratejy azy eo amin’ny lafiny famoretana? Mafanafana ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena, ka manahy izao fitondrana izao sao ho tonga amin’ilay fahendren’ny Ntaolo hoe “ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”.