Voafatotra amin’i Poutine ve Rajoelina ?

Ny Valosoa

Mazava ankehitriny ny antony tsy nanamelohan’ny fanjakana Malagasy ny ady izay ataon’i Rosia amin’i Okraina hatramin’izao, nandritra ny fifidianana natao tao amin’ny Firenena Mikambana ny 2 martsa 2022. Firenena 141 no nanameloka an’i Rosia, 5 no notsipaka ary 35 no nisafidy tsy hiandany ka isan’ireo i Madagasikara.

Fantatra tamin’ny alalan’ny filazambaovao vahiny fa nanankery vao herinandro lasa, ny 25 martsa 2022 ny fifanarahana miafina ara-miaramila teo amin’i Madagasikara sy i Rosia izay nosoniavina ny 19 janoary 2022. Dimy taona no faharetan’ny fifanarahana izay mirakitra famatsiana fitaovampiadiana sy fitaovana ho an’ny miaramila, tohana ara-teknika sy olona. Etsy ankilany dia fantatra koa fa manana paikady i Rosia hampiankindoha ireo firenena izay marefo governemanta no sady manana harena an-kibontany. Ary tsy mitsitsy izy rehefa ilaina ny mampiasa olona hanohana ka amin’ny alalan’ireo mpikarama an’ady ao anaty ilay orinasa “fantôme” antsoina hoe Wagner.

Tsy nahenoina feo aloha hatreto ny Fanjakana mikasika ity fifanarahana ity.

https://www.uniindia.com/story/Russia-Madagascar-sign-agreement-on-military-cooperation

https://ici.radio-canada.ca/amp/1865890/nations-unies-reunion-condamnation-russie-guerre-conseil-securite

https://www.washingtoninstitute.org/policy-analysis/role-russian-private-military-contractors-africa

https://www.lemonde.fr/culture/article/2022/02/18/wagner-l-armee-de-l-ombre-de-poutine-sur-france-5-un-an-d-enquete-sur-la-trace-des-mercenaires-russes_6114313_3246.html