Mihalavitra ny vahoaka sy ny firenena ny filaminam-piainana

Sôh’son

Tsy amin’izao fitondrana izao, no isian’ny fihatsaram-piainan’ny vahoaka malagasy. Miharihary tsara ny zava-misy amin’ny fomba fiasa sy fitondra ny vahoaka manerana ny Nosy, indrindra nanomboka ny taona 2020 no mankaty, sy izao ianjadian’ny vokatry ny loza voajanahary izao. Hita ho tsy mahafehy ny lamina sy ny fitsinjovana ny vahoaka manontolo ny fitondrana Rajoelina. Misy ny voajery tsy miandry ela, misy ny afaka fotoana maromaro vao voatsinjo ary efa lalina ny fahavoazana ao anatin’izay, ary misy adino tanteraka. Izany hatrany no miseho isaky ny toe-javatra mitranga eto amin’ny firenena.

Ny fahavoazana lalina vokatr’ireny antony ara-pahasalamana sy antony ara-tontolo iainana ireny dia tsikaritra, fa sahirana ary hita ho tsy tafavoaka ny fitondrana amin’ny fanarenana, indrindra eo amin’ny lafiny fihariam-bahoaka. Efa lasa lavitra ny fidangan’ny sondrobidim-piainana niditra tamin’ny faran’ny taon-dasa iny sy niatrika ny taom-baovao. Nifohafoha volo ny sarambabem-bahoaka niatrika izany, mba hitady rirany amin’izay mba fahafahana manamarika ny fety. Zara fa afaka niaina sy niampita ny taona vaovao, kanefa dia notsenain’ny olana maro hafa nanampy trotraka indray. Mba manao ilay fitondrana ka mba manao, fa tsy mahavaha firy sy hatraiza akory ny olana manjo ny vahoaka malagasy. Maneho tsy fahaiza-mitondra sy mitantana firenena izany n’inona n’inona ambara.

Tsy amin’izao fitondrana izao no ho azo antoka ny momba ny filaminan-tsain’ny sarambabem-bahoaka. Tsy mitsahatra fa misy hatrany ny olana manjo azy eo amin’ny resaka fitompoana tany onenana, sy nanaovana fihariana efa nandritry ny taona maro. Marary an-doha na sahiran-tsaina ny olom-pirenena maro mahita na mandre ny vaovao manjo ireo mpiray tanindrazana izay iharan’ny fibodoana ataona orinasa na mpanefoefo mivatravatra fiavy ary mikasa hanàla azy ireo amin’ny taniny. Na dia mitaraina hatrany ireny vahoaka ireny ary miantso ny fitondrana mba hijery akaiky ny momba ny raharaha, dia hatreto tsy mbola nahenoina teny na kely aza ny filoham-pirenena izay niantefan’ny antsony, mba nilaza ny heviny sy ny fiarovana ireo vahoaka ireo. Niseho hanao izany anefa tany amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra nentiny nandrobohana ny vahoaka hifidy azy. Ankehitriny, tato anatin’ny telo taona izao, tsy hita soritra izany fihetsika izany, fa niady irery mba hanao izay handreseny ny vahoaka. Matetika anefa no miala maina.

Tsy amin’izao fitondrana izao no hiverenan’ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay. Mba miseho ho miady Rajoelina sy ny fitondrany ka miady, fa hita miharihary ny fandrirarirana ataon’ny fitondrana frantsay azy, sy ny hakely endaky ny fitondrana malagasy. Miseho hiady irery mantsy fa tsy mihevitra hiara-dia amin’ny vahoaka noho ny antony kajikajy politikany. Saro-toerana ny vahoaka sy ny firenena, lavitry ny fiainana milamina sy tsara, noho izany rehetra izany.