EFA MAILO IREO MPAMATSY

Efa manomboka ho kenda ireo ekipan’ny mapara,
Noho ny fomba fitantanany tena tsy mangarahara.
Mihasarotra ho azy ny mahazo fanampiana.
Efa mailo ireo mpamatsy ka manao fanadihadiana!

Ny hany mbola hihinanany sady hahazoany be,
Dia ny fisian’ny tondra-drano, aretina ary koa kere.
Fa raha izay famatsiana hafa, efa tena manahirana,
Noho ny paompy efa mihidy ka tsy ahità-mangirana.

Vola mihodina amin’ny “tsy izy”, izany manko no mahoraka.
Indreo mitavana daholo ry be kibo efa mivoraka.
Mihevitra ny paiso an-kady ho tsy mba manam-pahataperana,
Hany ka manesokesoka sy miletra tsy am-piheverana!

Tsisy tohiny daholo ireo afera tena goavana
Mahakasika mpitondra izay niletra sy nitavana.
Tao ny ecran plat, bonbon sucette sy ny sisa.
Tsy miteny ny eny ambony fa dia tena “mody gisa”!

Misy fiafarany anefa izay atomboka rehetra.
Irony volam-penomanana, tsy mitohy fa misy fetra.
Ny hany andrasan’ny vahoaka raha lazaina sy fehezina,
Dia tsy inona f’ilay hoe “fianjerana miezinezina”!

…Ka tsy irony tondra-drano na irony rivo-doza,
No hanakana ny dian’iretsy zatra “lalam-poza”.
F’izy tenany ihany no hidaraboka hianjera,
Rehefa fanina am-pitoerana f’efa tsy mandeha ny afera!

TSIMIMALO (07-02-22)