Loza mihàtra – Araraotin’ny mpitondra hanasongadinan-tena

Andry Tsiavalona

Nivalona ny alatsinainy indray ny volana janoary, volana voalohany ato anatin’ity taona vaovao 2022 ity. Azo lazaina fa volana iray nitondran’ny vahoaka tsy mandady harona eto amin’ity Firenena ity ny mangidy tokoa. Raha ny tatitra navoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamana tamin’ny faran’ny herinandro momba ny valanaretina covid-19, dia nandavo mpiray Firenena mihoatra ny roanjato izy ity, ary efa roa taona no tsy laitra nakisoka sy tsy voafehy na dia nambanian’ny mpitondra, fa tsy mafy noho ny pesta sy kôlerà aza.

Toy ny tamin’ny fiandohan’ny taona lasa dia nisy fahafaham-baraka indray dia ny nahatratrarana ny volamena 49 kilao tatsy amin’ny Nosy Comores. Efa any am-ponja ireo roalahy nitondra izany saingy ny harem-pirenena kosa dia giazan’ny mpitondra any, toy ny 73,5 kilao atsy Afrika Atsimo ihany. Araka ny fantatra koa dia misy ifandraisany ireo raharaha roa ireo kanefa dia mbola maizina ny momba izany, iza ireo trondro vaventy sy ny tambazotra manao ity bizina maloto ity? Tsara tsiahivina fa toy izany koa ny bolabolan’andramena 300 taonina tratra tao Comores ihany tamin’ny tetezamita, ka ny mpitondra amin’izao fotoana izao ihany no nanampahefana tamin’izany.

Tondraka ny rano taorian’ny ora-mikija ny herinandro lasa, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa any amin’ny Faritra maro koa. Aman’hetsiny ny traboina izay efa mitoby any amin’ireo kianja mitafo sy sekoly any. Amampolony maro ihany koa no namoy ny ainy noho ny tondradrano sy ny tany mihotsaka. Ny olana anefa dia tsy manana na inona na inona ireo traboina, satria tsy nahazaka na inona na inona avy any an-trano nilaozana. Ijaliana ihany koa ny rano sy ny jiro ary ny toeram-pivoahana any amin’ny toerana itobian-dry zareo. Tonga nitsidika ny toerana sasany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ary nanambara fa fotoana fampisehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana ny toejavatra tahaka izao ary nitondra fanampiana. Ny zava-doza anefa dia noferana omaly alarobia ny andro farany nipetrahan’ireo traboina any ammin’ireo toerana nitobiany.

Rehefa hiverina any amin’ny toeram-ponenany ireo traboina ireo dia hisy ny fanampiana kanefa izay manana karnem-pokontany “manara-penitra” ihany hono, no hisitraka izany. Haverina koa ny “tsena mora”. Noferan’ny fitondrana ho arivo ariary ny vary iray kilao, dimy arivo ariary ny litatry ny menaka, sns… Ny fahafantarana azy dia na ny eto anivon’ny Faritra Analamanga aza dia misy fokonolona tsy mbola manana ny karnem-pokontany manara-penitra akory, tsy lazaina intsony izany ny any amin’ny Faritra hafa. Raha ny marina dia misy fanampiana avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny hita anefa dia nolokoina lokon-dôranjy ny gony sy ny fonosan’ireo fanomezana hafa. Manampy trotraka izany dia tsy afaka nanao ny fitadiavam-bolany andavanandro akory ireo traboina ireo.

Ny tena zava-doza ihany koa dia nampiakarina izay tsy izy, ny hetran-trano eto an-drenivohitra, kanefa ny vidim-piainana aza efa tsy zaka intsony dia hitambesaran’izany indray ny mponina. Tsy tongatonga ho azy ny tondra-drano satria betsaka ny zavatra miorina tsy manara-dalàna eto an-drenivohitra tato anatin’ny telo taona, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fanotofana tany eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Etsy ankilany koa ny fanorenana trano eny ambonin’ny lakan-drano, izay manakana ny rano tsy hivarina any amin’izay tokony halehany. Marina fa efa ampiasaina ireo paompy misintona rano ary lasa ny andro ratsy ka nihena ny rano. Nasaina nanadio ny lakan-dranon’Andriantany ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Tsy mahazo misioka anefa satria mananontanona any indray ny rivodoza, ka manentana sahady ny mpiray tanindrazana ho vonona hiatrika izany. Tsy mbola nofoanan’ny mpitondra ihany koa ny “état de sinistre”, satria mety hahazoana fanampiana avy any ivelany indray ny toe-draharaha. Tsy lasa nanaraka ny andro ratsy ny valanaretina covid-19, ka tsy maintsy mbola hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.

Na inona na inona ihany koa tranga misy mety manahiran-tsaina sy ireo tolotolotra ataon’ny fitondrana hanakonana ny ratsy ataony dia tsy tokony hohadinoina ny nataon’izao fitondrana izao nampilentika ny Firenena amin’izao toerana misy azy izao. Tsy ny tantara no havela hitsara, fa ny olompirenena tsirairay no hanasazy izay mpitondra nampidi-kizo azy toy izao. Na voajanahary na niniana natao ny tranga misy dia tsy iadian-kevitra, fa tomponandraikitra foana ny mpitondra, ka tsy afa-miala ary tsy tokony hiandry fisaorana sy doka avy amin’ireo notolorany fanampiana.