Ao anatin’ny fiatrehana ny fety – Mihàtra eto amin’ny firenena ny fahoriana, ny fahantrana ary ny areti-mandoza

Andry Tsiavalona

Eo am-panomanana ny fety faran’ny taona ny gasy, ka somebiseby izay tsy izy, ary toa samy miezaka manadino ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny areti-mandoza izay loza mihàtra eto amin’ny Firenena avokoa. Fotoana fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra ihany koa nanomboka omaly alatsinainy, ka raha mandeha eny an-tsena dia mifampitaritarika ny ray aman-dreny sy ny ankizy mijerijery izay kiraro sy fitafiana mety ho azon’ny vola kely eo am-pelatanana. Toa eny an-tsena avokoa ny olona fa tsy misy intsony any an-trano any. Mason-tsokina ka izay kely ananana no ahiratra.

Ny manahirana anefa dia mitombo andro aman’alina ny tratry ny aretina covid-19 raha ny tarehi-marika navoakan’ny manam-pahefana, ka efa aman’arivony no misy soritr’aretina, an-jatony no maty, ka tsy ao amin’ny faritra telo navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia lasa teo no voakasika fa efa saika efa manerana ny Nosy mihitsy. Araka izany dia tokony ho efa manafatra vaksiny ny mpitondra fa tsy miantehitra amin’ny firenena avy any ivelany manome maimaim-poana. Tokony hamporisika ny vahoaka Malagasy ihany koa hanao vaksiny satria hatramin’izao dia vao iray isan-jato mahery kely fotsiny no vita.

Ny ataon’ny mpitondra dia manao dokam-barotry ny “CVO plus” izay midika tsy fitsinjovana ny vahoaka, fa manao laharam-pamehana ny bizina. Na izany na tsy izany dia noho ny tsy fisian’ny fangaraharana teo amin’ny fitantanana ny vola nomen’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena dia takian’izy ireo ny tatitra momba ny fandaniana izany. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny ankizy aza dia mitaky ny famerenana ny vola nomeny mihitsy. Tsy mbola nahazoana voavao moa ny momba ilay fepotoana, ny 16 desambra 2021, nomen’ny Banky Iraisam-pirenena, ary miandry ny faran’ny volana desambra izao kosa ny Tahirimbola Iraisam-pirenena. Henatra lehibe ho an’ny Firenena ireo tranga ireo ka inoana fa tsy ho sahy hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny momba ireo ny fitondrana.

Na eo koa aza ny fahoriana sy fahantrana mianjady amin’ny roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy dia mbola enjehin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ihany ireo mpivarotra amoron-dàlana izay mba mitady vola entina miatrika ny fety. Isan-taona dia misy foana ny tsena faran’ny taona eto an-drenivohitra saingy tsy nisy izany amin’ity taona ity. Tsy manaiky lembenana ny mpivarotra ka tsy laitra akisoka satria ireo mpiasa tsy mandray karama any amin’ny toeram-piasana isan-tokony any aza efa tsy fidiny.

Manamafy ny fitakiany ihany koa ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ka ho hafanafana sahady ny toe-draharaha amin’io taona vao mitsidika io. Izay no eo amin’ny sehatra sosialy fa eo amin’ny sehatra politika kosa dia efa iaraha-mahalala ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly momba ilay raharaha malaza Apollo 21. Raha ny didy navoaka dia manalasala toa vozon’akoho ihany satria samy voasaringotra tamin’ity raharaha ity avokoa ireo voapanga ary matoa voapanga dia nisy nifandraisany tao ka, angamba, ny mpanao famotorana dia efa afaka nanavaka ny andraikitry ny tsirairay ka tsy nisy voapanga ho mpiray tsikombakomba ireo afaka. Ilay teratany frantsay voarohirohy koa dia mahavariana ihany satria inona no tombony mety ho azony raha nahomby ny fikasana sa nanantena ho toa ilay nanongana ny filohan’i Comores fahiny.

Eo amin’ny sehatra politika ihany dia manahiran-tsaina ny politisiana ny sakantsakana ataon’ny mpitondra amin’ny mpanohitra, indrindra amin’ny filoha Ravalomanana Marc. Tena hita fa matahotra ity filoha ity mihitsy Rajoelina Andry kanefa tokony ho ao an-tsaina mandrakariva fa tsy mahasakana ny fironan’ny vahoaka ho an-dRavalomanana Marc izany. Sahiran-tsaina mafy izao fitondrana izao satria maneno sahona avokoa izay alehany rehetra ary tsy misy taterany izay fampanantenana nomeny rehetra ary ny hany mba ataony dia mandoko volon-dôranjy ny fotodrafitrasa efa vitan’ny mpitondra teo aloha. Tsy afaka nandoko ny seranam-piaramanidina eny Ivato Rajoelina Andry dia tsy nipoitra teny tamin’ny fitokanana izany. Ny zava-doza ho an’izao fitondrana izao dia efa mena avokoa ny tondro refy, eo amin’ny sehatra rehetra, ka mety hipoaka amin’ny fotoana tsy hampoizina ny maotera mampihodina azy ireo.