72 taona ny 12 desambra teo – Vao mainka ao tsara ny Filoha Ravalomanana

Ny Valosoa

Feno 72 taona katroka tamin’ny alahady 12 Desambra 2021 teo ny Filoha Marc Ravalomanana.

Salama tsara ny filohantsika, mbola mahavita mandeha lavitra, satria niara-nankalaza izany fotoandehibe izany tamin’ny vahoakan’i Toliara izy tamin’io alahady 12 Desambra 2021 io, vao haingana izy no tany Toamasina. Tsy tontosa anefa izay fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany tany Toliara izay, noho ny hetraketraky ny fitondrana Rajoelina, nanakana ny vahoakan’i Toliara tsy ho ao amin’ny Magro Andaboly.

Ireo mpanaraby matahotra fifidianana dia sahy mirediredy hoe: efa tsy lasa intsony hono ny Filoha Ravalomanana, ka tokony hitsahatra amin’izay.

Ny tena marina amin’ireny sokajin’olona miteniteny foana ireny, dia menatra ny ratsy vitany tamin’ny fanonganana ny fitondrana nahavita nanala ny fahasahiranana nanjo ny vahoaka, satria hitampoko hitampirenena, f’izy mianakavy nandroba fahefana dia vao mainka nampidi-pahoriana ny vahoaka malagasy manontolo, sady mahafantatra tsara ireny kitoatoan’olona ireny, fa rehefa tafaverina eo amin’ny fitondrana ny Filoha Ravalomanana dia ho lasa ririnin-dasa ny fahoriana nilomanosan’ny vahoaka.

Ny taona voasoratra ao amin’ny karapanondro no mitombo ny an’ny Filoha Ravalomanana, fa ny vatana mbola matanjaka, ny saina vao mainka matsilo, ny fahamatorana rahateo tsy ho lazaina intsony, fa arakaraky ny itomboan’ny taona, vao miha-mitombo izany fahamatorana izany, indrindra fa ho an’ny olompirenena kristianina.

Etazonia no firenena filamatra ho an’izao tontolo, ny Filoha Amerikana Joe Biden, feno 79 taona tamin’ny 20 Novambra 2021 teo, mbola misokatra tsara ny sainy ary mbola matanjaka tsara ny vatany, ny Filoha Ravalomanana indray izay mivelona amin’ny sakafo voajanahary, sy mitaiza ny tenany sy ny fanahiny amin’ny finoana kristiana dia manatombo lavitra amin’ny filoha amerikana amin’ny fahavitrihana, ny Filoha Ravalomanana rahateo tsy vahiny amin’ny fomba fitaizambatana sy saina amerikana, ka tsy hanahirana azy ny ampihàtra izay fomba vahiny mety hitera-bokatsoa, ny tombony ho an’i Dada koa dia madio ny rivotra iainana eto amintsika.

Tsy misy tokony hahiana ny amin’ny fiatrehan’i Dada ny fifidianana izay ho tanterahana afaka roa taona sisa. Tsy handaitra amin’ny vahoaka malagasy intsony ny fivoizana ny hevi-diso manao hoe, mila tanora ny fanarenana ny firenena, satria ilay nilaza azy ho tanora dia hita nibaribary fa nanao sain-jaza maroroka, na ny loha-maleminy aza tsy mbola mikatona hatramin’izao, matoa mbola mahavita mampidikizo ny firenena hatrany.

Tsy ilain’ny firenena intsony ny tanora lohampety sy mpamitaka amin’ny renty manadala ary zatra bontolo, noho izany mila mailo ny olompirenena rehetra, satria ankoatran’ny mpitondra ankehitriny izay efa tsy antenaina intsony, dia mety hisy indray ny anarana vaovao haroso hisakanana ny fanarenana ho entin’ny Filoha Ravalomanana.

Noho ireo voalaza rehetra ireo dia tsy tokony hiroaroa saina intsony ny vahoaka malagasy, fa vao mainka aza azo antoka ny Filoha Ravalomanana ary tsy hisy haharaka azy amin’ny fifidianana afaka roa taona, saingy mitaky asa amin’ny isambatan’olona ny fampahombiazana ny fandresena, ny takiana voalohany dia ny fitondrana am-bavaka ny fiainampirenena, ny aorian’izay dia ny fanamarinana ny anarana any amin’ny fokontany, satria ny taona 2022 no fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay fanao isaky ny 10 taona, ka ny fisian’ireo mpanaty rankena ao amin’ny “Ceni” sy ny “Hcc” dia tsy hampalaikomana ny vahoaka malagasy efa dodona tanteraka hisitraka ny fampandrosoana ho entin’ny Filoha Ravalomanana.