Fahasalamana : ady sarotra ho an’ny vahoaka

Sôh’son

Olana lehibe iainam-bahoaka ary tsy voavahan’izao fitondrana izao ny fampatanjahana ny fahasalamam-bahoaka. Marefo ara-pahasalamana ny sarambabem-bahoaka, noho ny tsy fisian’ny kalitaon’ny sakafo ara-dalàna hohaniny. Na eo amin’ny habetsahana ihany koa aza mbola ifampitadiavina be ihany. Mazava loatra, fa miankina amin’ny fahafaha-mividiny izay ambany sy ny fahantrana mihoa-pampana no anton’izany.

Mbola mitohy ihany ankehitriny, ary vao mainka miha-lalim-paka aza, ilay fiteny hoe : «Aza mba marary ihany». Satria sarotra dia sarotra ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Eo ny vidim-panafody lafo, na maro isan-karazany asain’ny mpitsabo vidiana. Rehefa tsy maharaka izany ny fianakavian’ny marary dia ratsy karakara eo ny marariny. Volabe no tsy maintsy laniana rehefa miditra hopitaly. Efa be ihany koa ny fanakianana amin’ity hopitaly manara-penitr’i Andry Rajoelina ity. Tsy manara-penitra izany ireny, hoy ny fanakianana avy amin’ny olom-pirenena nahita ny zava-nisy. Ho aiza izany ilay sarambabem-bahoaka? “Aza mba marary ihany”.

Ny mpitondra rehetra isan-tsokajiny, mamonjy toeram-pitsaboana any ivelany vantany vao tsy metimety ny fahasalamany. Volabe tsy toko tsy forohana no laniny amin’izany, ary izany dia ny fanjakana no miantoka azy. Niaraha-nahita sy nandre tsara ireny mpitondra ambony nankany ivelany ireny nitsabo tena, raha tsy hilaza afa-tsy tato anatin’ny roa taona farany fotsiny. Nisy ny nankao amin’ny Nosy La Réunion, nisy tany Eôrôpa toy ny tany Frantsa mihitsy nandritry ny andro maro. Nisy ny dedaka mihitsy tamin’izany rehefa tafaverina nody teto an-tanindrazana avy nitsabo tena ka sitrana soa aman-tsara, izay niendrika fampangotsohana ihany ny vahoaka malagasy tsy manana fahafahana manao izany.

Ankoatra izany, mbola eo ny olana atrehin’ny mponina any ambanivohitra lavitra any noho ny tsy fahampian’ny mpitsabo. Malagasy maro no sahirana raha tojo tsy fahasalamana na toy ny hiteraka, sns… Mivangongo an-drenivohitra na an-tanàn-dehibe ny ankamaroany. Etsy ankilan’izany koa anefa, tsy tokony hadinoina ny fahavitan’ny fitondrana mandoa ara-dalàna ny karamany na ny tambin-karaman’izy ireny. Niaraha-nahita sy nahalala ny hetsika nataon’izy ireo nitaky izany. Amin’izany rehetra izany, dia any amin’ny vahoaka hatrany no ifatraran’ny rihitra rehetra. Ny olana manjo ny sarambabem-bahoaka io, tsy vita fotsiny amin’ny hoe fitokanana fitaovana vaovao na môderina apetraka eny amin’ny hopitaly ka idedahan’ny mpitondra. Tsy mahavaha ny olam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany. Rehefa foana io fomba fiteny: “Aza mba marary ihany” io, izay vao tokony ho afaka mirehareha ny mpitondra, fa raha mbola ny toe-java-misy ankehitriny, dia aza be resaka eo amin’ity sehatry ny fahasalamam-bahoaka ity, fa tsy mahavoa nareo mpitondra.