NIOVA HEVITRA INDRAY ?

Niova hevitra indray fa hoe tsy hanisy fanovana?
Dikany dia “tena favo” ny rehetra ka voatana?
Ry “be vava” hatrany izany no manindry ery aloha,
Dia io fa entiny amin’ny sangany ka manaiky ny filoha?

Niova hevitra indray fa hoe tsy hanisy fanovana?
Dondrona ireo manakiana, kilasiana ho sanana?
Inona no zava-bita, asehoy hoe hojerena.
Ny vahoaka mihamahantra no amboaram-pandresena?

Niova hevitra indray fa hoe tsy hanisy fanovana?
Nefa fotaka tanteraka ny antsasaky ny taom-piasana!
Mihamitombo ny mpanohitra ary sahy miseho mivantana,
Ka aleo dia tsy manova sao ho ratsy be ny tantana?

Dia hiroso indray ny sambo n’inona n’inona hidonany,
Nefa hatreto dia tsy fantatra ‘zay ho toerana hiantsonany?
Raha ny zava-misy anefa dia tsy ho tratrany ny morona,
Fa toa ny vahoaka hatrany no hanjary lasa sorona.

Ka na miova na tsy miova, tsisy intsony manantena,
Fa ny bokotra rehetra efa nivadika ho mena.
Ka ny ekipa manontolo no aoka hahay hanaja tena,
Apetraho ny fialana, izay no tena fahendrena!

DADAN’i ZINA (17-07-21)