Zava-maha menatra ataon’ny fitondrana – Mitodika aty ny mason’izao tontolo izao

Ny Valosoa

“Hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao”, hoy i Andry Rajoelina efa ho herintaona lasa izao. Raha izay no isan’ny nambarany dia toa tanteraka tokoa izy ity ankehitriny, saingy amin’ny endriny ratsy sy mahamenatra. Lainga, fampanantenana poakaty, fanabotriana, fanabadoana, fanitsahana Lalampanorenana, kolikoly avo lenta, jadona, fanapenambava, tsy fandoavana karama sy trosa, izany no manjaka amin’ity fitondrana Rajoelina ity. Efa mivoaka amin’ny haino amanjery iraisampirenena ireo haratsiana mihoa-pampana ireo ary efa manjary tandra vadinkoditra.

Tamin’ity indray nitoraka ity dia ny tsy fandoavana ny karaman’ireo mpiasa mahatratra 700 eo anivon’ny CTC (Centre de Traitement Covid-19) no nasehon’ny RFI an’izao tontolo izao. Tamin’ny volana martsa 2021 no nisokatra ireo CTC ireo entina iatrehana ny COVID-19 andiany faharoa, sy hamonjena ireo hopitaly sempotry ny firongatry ny valanaretina. Araka ny tati-baovao dia 80% amin’ireo mpiasa ihany no nandray karama iray volana tao anatin’izay telo volana izay, fa ny sisa dia boribory na aotra Ariary. Karama eo amin’ny roa ka hatramin’ny telo hetsy isan’olona eo no tsy voaefan’ny fanjakana. Tsy ireo mpiasan’ny CTC ihany no tratran’izany fitantanana gaboraraka izany, hoy i Jerisoa Ralibera, filoha nasionalin’ny mpitsabo mpanampy (infirmiers) sy mpampivelona (sage-femme), fa tambin-karama amam-bolana maro koa no tsy voaefan’ny fanjakana amin’ireo mpiasa Paramedy.

Araka ny tatitra avy amin’ny RFI dia nanandrana niantso ny ministry ny Fahasalamana izy ireo, fa nisitrika tsy namaly ny antso ity farany. Araka ny fanazavana nataony diaa hoe: fikirakirana ny taratasin’ireo mpiasan’ny CTC no naha tratra aoriana ny karaman’izy ireo, fa tsy maintsy efaina izany. Mazava amin’izao tontolo izao araka izany ny endrika ratsy tafian’ity fitondrana Rajoelina ity, ary tsy vitan’ny endrika ihany intsony, fa dia saina sy fanahy maizina mihitsy no mibaribary. Izay ve no tena tanjon’i Andry Rajoelina sy ireo forongony hatramin’izay?

(RFI)
https://www.rfi.fr/fr/afrique/20210714-madagascar-les-employ%C3%A9s-des-centres-anti-covid-r%C3%A9clament-leur-salaire