Tokantrano Antananarivo sy ny manodidina – Vitsy amin’ny ankapobeny ny sainam-pirenena mikopakopaka

Beharo

Vitsy amin’ny ankapobe ny sainam-pirenena mikopakopaka amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena 26 jona izao eto amintsika.

Hita sy tazana teny ho eny fa tsy dia mazoto amin’ny fananganan-tsaina ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy ireo nilaza fa ny vola hividianana sakafo aza efa olana aminay kely karama itony, koa aiza izay hividianana Fotsy Mena Maitso eo.

Rehefa atambatra ireo fanehoan-kevitry ny olona dia ilay fitondrana mihitsy no efa mahakivy ny maro. Ireo efa zokiolona dia nanamafy fa ny fanovana an’i Mahamasina ho Barea koa dia nampihemotra azy ireo tsy hananga-tsaina, satria very ara-tantara ilay toerana.

Ny manaraka koa dia kianja vita eo amin’ny 90% io kianja io, koa tsy aleo ve vita tanteraka vao arentirenty, fa tena manimba voninahitra hoy ireo efa zokinjokiny? Sa dia atao manara-penitra amin’ny tsy antony akory?

Raha fintinina dia very ny hasin’ny fankalazana efa fanao hatramin’izay, koa aleo tsy mankeny amin’ny kianja Barea vaovao toy izay haka aretina hifangaro eny koa hoy izy ireo.