Voadakan’i Renimalala i Boaikely

Lanzelo

Nanakoako ny fivoriana iraisampirenena nokarakarain’i Lafrantsa nentina hanarenana ny toekaren’ireo firenena afrikanina noho ny krizy manerantany nasetrin’ny valanaretina Covid-19. Filohampirenena afrikanina tsy latsaky ny 15 no nanatrika izany fivoriana izany tany Paris, ary firenena eoraopeana toy ny Italie, Espagne, Portugal sy ny Vondrona Eoraopeana. Firenena maro hafa koa no nandray anjara avy lavitra tamin’ny alalan’ny fitaovan-tseratsera hary fomba na ny “vidéoconférence”. Voasolotena tamin’izany koa ireo fikambanana iraisampirenena toy ny FMI, ny Banky Iraisampirenena, ny OMC sy banky miankina iraisampirenena hafa mpamatsy vola. Saingy nanjavona teo anivon’ity fivoriambe i Madagasikara.

Eto no miseho ampahibemaso fa tsy jamba ary tsy marenina i Lafrantsa sy ireo tomponandraikitra eo amin’ny sehatra iraisampirenena eo anatrehan’ny nafitsok’i Andry Rajoelina nandritra izay roa taona sy tapany naha-filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara izay. Tsy hay hadino ny esonteny nataony mikasika ireo mpamatsy vola mahazatra, nilazany fa raha mbola miankina amin’ireo isika dia, na amin’ny 2030 na 2050 dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara. Teo koa ny fiheboheboana fa hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao satria izy no hitondra ny fanefitra amin’ity valanaretina Covid-19 ity amin’ny alalan’ny CVO, ka niavonavonany mihitsy izany resaka vakisiny izany, fa mbola nampiana CVO+ novokarina tamin’ny orinasa vaovao Pharmalagasy izay tsy mazava ny famatsiana nanamboarana izany. Ny fanampiana nomen’ireo mpamatsy vola nentina niatrehana ny valanaretina dia voahodinkodina ary tsy ahitàna mangaraharaha hatramin’izao. Ny tetikasa IEM notatatataina nandritra ny fampielezankevitra dia tsy niainga akory fa nanjavona teny am-pandehanana, ka novàna anarana maro samihafa toa ny “Plan Marshall” na “PEM”, saingy fampiesonana daholo. Ampiharina ny jadona amin’ny alalan’ny herimpamoretana sy ny fifehezana ny fitsaràna. Maizina tanteraka ny fiainan’ny maro an’isa noho ny fitantanana gaboraraka hafitsok’ity fitondrana Rajoelina ity, ary hita sy ren’izao tontolo izao izany.

Amin’ny fomba mihaja sy mahery vaika no nanehoan’ireo izay tsy mankato an’izao fitondrana jiolahimboto izao fa tsy mendrika ny handray anjara amin’izany fivoriambe iraisampirenena izany i Madagasikara, fivoriana izay nentina handinihina ny fomba fanampiana ny toekarenan’ireo firenena afrikanina izay misedra ny mafy amin’izao krizy izao. Tsy vitan’ny tsy mamy hoditra eo anivon’ny maro an’isa intsony i Andry Rajoelina fa na dia i Renimalala aza tsy nihambahamba nandaka ny vodin’ity boaikely ivelan’ny trano.

Mbola misy antenaina ve amin’ity fitondrana Rajoelina ity?