18 Mey – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa izao manaraka izao, mba ho fantatry ny vahoaka, indrindra ny mpitondra.

Manan-janaka mianatra amin’ny sekoly tsy miankina sy sekolim-panjakana izahay. Efa tafahoatra loatra ny fakana vola ataon’ny fanjakana sy ny olom-panjakana, nefa izahay efa tena sahirana fa very asa amin’izao. Lazaina fa tsy andoavam-bola ny fampidirana amin’ny fanjakana araka ny voalazan’ny filoha sy ny minisitra, kinanjo nony lasa ny telo volana dia nakana 3 na 4 alina isan’ankizy izahay.

Lazaina fa tsy andoavam-bola ny fiatrehana fanadinam-panjakana, kinanjo dia nitaky vola ihany ny CEG hanaovan’ny zanakay fanadinana BEPC, ka nandoa 3 arivo ariary. Nanao visite ny zanakay hanao Bac dia takian`ny mpiasam-panjakana CSB2: 500 ariary tsirairay, nefa tena asany izany.

Re fa hanao examen blanc CEPE sy BEPC ato ho ato ny CISCO dia tsy maintsy haka 2000 ariary isan’ankizy, na dia mahay kajy aza ny rehetra, fa raha taranja fito, ka 100 ariary
ny photocopie dia tokony ho 700 ariary.

Tsy maintsy maka tombony foana ve ianareo mpiasam-panjakana ? nefa ianareo anie mandray vola feno hatrany isam-bolana, na eo aza ny valanaretina e! Tena tsy mahalala voky ve ianareo ary iza anefa ireo hakanareo vola isan’andro, fa tsy ny madinika hatrany? Dia mangina koa ianareo mpitondra fanjakana, minisitra, ao amin’ny CISCO manoloana izany fa tsy miteny mihitsy? Tena firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy anie izany e!

Rakotonaivo
Ray aman-drenin’ny mpianatra
Isotry, Antananarivo