MITANDREMA RY VAHINY !

Tsy azo ekena ny hisian’ireo vahiny mpanambaka,
N’inona n’inona fiaviany, n’inona n’inona firehany.
Lavinay ny bory satroka izay miseho manjakazaka,
Ka mangorona harena n’aiza toerana alehany.

Tsy azo ekena ny hisian’ireo vahiny sain-devoly,
Ka manamby ny mpitondra sy ny manam-pahefana.
Lavinay ny risoriso sy fanaovan-kolikoly,
‘Zary toa mahazo vahana amin’ny seha-pitsarana!

Sanatria tsy fanenjehana na koa hoe fankahalana
Ireo vahiny monina eto no anton’ito filazana,
F’efa tena mahatezitra raha ny ataon’ireo karana
Izay mihevitra mihitsy f’efa azy ny tanàna!

Ny vahiny, n’aiza n’aiza, dia hijanona ho vahiny.
(Sanatria tsy fanilihana iretsy gasy an-taratasy!)
Tena tiana hamafisina eto indray ankehitriny
Fa i Madagasikara dia ho an’ny Malagasy!

Koa dia efa mampitandrina ireo vahiny ratsy fiaina,
Sahy miteny, manambara fa voavidiny ito nosy.
Ny vahiny toy ireny dia vahiny tsy ilaina,
Mila roahina mihitsy fa miseho manosihosy!

…Fa vahiny mpankatò sy tan-dalàna no ekena.
Mifanaja, miara-monina amin’ny gasy teratany.
Ianao mpitondra ihany koa dia mila mba mandini-tena,
Tsy ho voavidy na voafatotra any ambadimbadika any!

DADAN’i RIANA (14-04-21)