HO AN’IZA IRETSY VAKISINY ?

Tonga ihany nony farany ‘reo vakisiny izay nandrasana,
Na dia maro no efa lavo sy efa nandavaham-pasana.
Efa miandry ny rehetra ny amin’izay hatao mialoha.
Ny mpitsabo? ny mpanohitra? sa Andriamatoa filoha?

Raha ny zavatra fahita sy efa lasa fahazarana,
Dia toa ny filoha hatrany no modely atao fianarana.
Saingy tsy hay na efa vita Andriamatoa filoha hajaina,
Ka hotanany ilay teny hoe ny mpanohitra no asaina!

Dia ny tohiny no asa, anjaran’iza indray avy eo?
Toa rariny raha ny mpitsabo f’efa mafy ady ireo!
Avy eo dia ny olona marefo, ireny izao no tena mila,
Fa tsy dia mandresy lahatra raha ilay hoe ny miaramila!

Nanesoana ny mpanohitra, tany aloha, ny vakisiny.
Kanjo niova indray ny tantana nony fe ankehitriny!
Miovaova ny mpitondra, tsy mba matotra amin’ny teniny.
Voa hatrany vao mihilana ka hita ny fipenimpeniny!

TSIMIMALO (08-05-21)