AKON’I VAKINANKARATRA

Ny anarany foana no re mipoapoaka
Fa hoe na ho vy na ho vato dia “daka”!
Kinanjo vao nihetsika iretsy vahoaka
Dia indro fa nihemotra indray ilaiàka!

Mazava fa tsisy ny fahamatorana
Hoenti-mitondra an’i Vakinankaratra.
Tena tsy miery ny maha-fozaorana
Fa dia mazava sy tena hita taratra !

Anarany koa no Ilaikoto maditra.
(Mpamadika akanjo efa tena tsy miery!)
Kinanjo izao menatra, mipitrapitra,
Ary inoana fa hiondrika sy hiteny irery!

…Mba mieritrereta ry olom-boatendry.
Makà ihany ny hevitry ny olom-boafidy.
Fa aza midehaka sy miana-kendry
Manapaka irery sy mandidididy!

DADAN’i RIANA ! (08-05-21)