Gadra politika miisa 10 sy Berija – Nahazo fanampiana 2 hetsy Ar avy indray avy amin’ny vehivavy TIM

Helisoa

Mandritra ny fotoana ijanonan’ireo gadra politika miisa 12 eny amponja dia tsy mitazam-potsiny azy ireo ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), fa mikaroka ny fomba hanampiana ireo voafonja ireo.

Araka izany, nisy indray omaly, ny fanoloran’ny vehivavy Tiako i Madagasikara vola mitentina 2 hetsy ariary avy, ho azy 10 mianadahy mbola tavela any am-ponja noho ny raharaha 20 febroary 2021, miampy an’i Berija Ravelomanantsoa, izay mbola voatazona miandry ny didimpitsaràna, hampiakarana azy amin’ny fitsarana ambony nataon’ny mpisolovavany.

Ny vehivavy TIM dia manolotra fisaorana ho an’ireo tsara sitrapo nanampy azy tamin’ny fanampiana ireo voafonja, na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany. Teo ihany koa ny DIASPORA RMDM, ny hetsika Monpellier, Gtt La Reunion, nanampy tamin’ny hetsika hanampiana ireo voafonja tamin’ny andron’ny omaly 5 mey. Marobe ireo fikambanana nanampy ny vehivavy TIM tamin’izao fanangonana vola hanampiana ireo voafonja ireo izao, fa rehefa tafavoaka soa amantsara ireo nihàran’ny antsojay ireo dia mbola ho ampahafantarin’ny mpikarakara avokoa izy ireo.

Ny fianakavian’ireo voafonja dia nanolotra fisaorana ny vehivavy TIM, satria nanana reny mpiahy izy ireo. Ka na mafy aza hoy ireto farany ny mahazo azy dia tsy kivy izy satria tsy mijery azy fotsiny ny Tiako i Madagasikara.