MIKATONA NY SISINTANY ?

Mikatona ny sisintany saingy nisy ihany sidina,
Izay avy any Lafrantsa ka dia tonga teny Ivato.
Moa tsy izany no porofo fa manao lohan’angidina
Sy manao izay tiany hatao iretsy ngeza tato ho ato?

Andro vitsy tany aloha no namoahana fepetra,
Tao anaty fivoriana notarihin’ny filoha.
Kinanjo androany alatsinainy, tena gaga ny rehetra,
F’indro indray ny sisintany fa nibanaka, nivoha!

Tsy resy lahatra mihitsy ireo mpanara-baovao
Na niezaka aza nanazava ny ao anaty fitondrana.
Miharihary loatra mantsy f’isan’andro vaky izao
Dia ny mpitondra no be loha tsy mety hanaja ny lalàna!

Ny vahoaka dia mametraka an-dRafanja ho modely,
Sady tia mijery akaiky ny amin’izany ry zareo,
Ka raha vao misy ny tsy matotra sy fanahin-jazakely,
Dia tsarovy hatrany hatrany: hiakatrakatra ny feo !

TSIMIMALO (26-04-21)