Fitantanana ny covid-19 – Be ny sehatra tsy mazava nanaovan’ny fitondrana fandaniana

Sôh’son

Ny manahirana lalina amin’izao fitondrana izao, dia ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanam-pirenena. Vao nokotrehina aza izy dia efa izany no « tsiro » natao ivelomany anaovana tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka raha ny fahitana azy. Dia samy talanjona ny rehetra rehefa nahita ny fidedahana sy fampisehoana natao teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny fotoana nametrahana ny fitondrana taorian’ny filazan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ny fahalaniany tamin’ny fifidianana ny faran’ny taona 2018. Naseho ireo fitaovam-piadina sy fiara mifono vy, ny fiara tsy mataho-dalana mainty vaovao ho an’ny filoha, tsy fanta-pihaviana ny nividianana azy ary tsy fantatra ny vola lany nividianana azy sy ny nividy azy. Toy ny efa nomanina mialoha ireo, fa efa tsy maintsy ho lany ary ho tonga eo amin’ny toerana ny filoha ankehitriny tamin’izany fotoana izany. Tsy mandehandeha ho azy amin’izao izany, fa misy ketrika politika maloto ambadika. Noterena hanaiky ny zava-misy sy miseho fotsiny ihany ny vahoaka, fa tsy natao hahafantatra ny marina sy ny mangarahara rehetra momba izany.

Nitohy ihany izany tsy fangaraharahana teo amin’ny fitantanam-pirenena izany tato anatin’ny roa taona mahery izao. Nisongadina tao anatin’izany ny fitantanam-bola teo amin’ny fiatrehana ny covid-19. Be ny sehatra tsy mazava sy tsy fantatra marina tamin’ireo nanaovana sy anaovan’ny fitondrana fandaniana. Mitaky izany ny avy amin’ny mpanohitra kanefa miala maina hatreto tsy nahazo valiny. Ambara ho manakorontana indray aza izy ireo kanefa zony ny mitaky izany ary tena tokony ho ataony mihitsy satria tsy misy afaka hiteny ny olom-pirenena. Ny Fiarahamonim-pirenena aza efa mamaky bantsilana, hamonoany sofina fotsiny izao.

Politika efa nifanarahan’ireo mpitondra ve ny tsy hampisy mangaraharaha eo amin’ny seha-pitantanana ny firenena mandritry ny maha eo amin’ny fitondrana azy? Tsy nambarany tamin’ny vahoaka na ireo nifidy na tsy nifidy azy anefa izany tany am-piandohana, ary tsy nifanarahana. Endrika iray lehibe maneho ny fomba fiasan’izao fitondrana izao izany, dia ny haha tompon-trano mihono mandrakariva ny vahoaka. Any amin’ny mpanohitra sisa no mba hahitan’ny vahoaka mangirana kely momba izany, kanefa izao indray fa tampenam-bava izy ireo amin’ny haino aman-jery. Dia atao ve izany ny tsy hahalalan’ny vahoaka ny marina eto? Moa tsy fanabadoana ny vahoaka tsotra izao ve izany? Azo heverina anefa fa mbola hitohy io fomba fiasan’ny fitondrana io raha ny zava-misy ataony ankehitriny iaraha-mahita izao.