MPITONDRA TSY AFA-PANADINANA

Naroso indray ny fihibohana asabotsy sy alahady,
Vokatry ny saina donto, tsy afaka manadihady.
Raha jerena anefa,indrisy, mihamaizina ny sary,
Fa vao mainka be ny maty, mihamitombo ny marary!

Fakan-tahaka no betsaka, ny any andafy no nianarana,
Saingy tena tsy mahomby raha natao ny fampiharana!
Ireo madinika hatrany izay mivelona amin’ny varotra,
No vao mainka idiran-doza sy mitolona ady sarotra!

Tsy navela hamelatra entana fa nampiharina ny didy,
Ka angamba ho lo daholo ny entana ‘zay saika hamidy!
Vola miditra tsy misy, aretina efa tsy voatolona.
(Aiza re ny fijerena ilay atao hoe “maha olona”?)

Ry mpitondra o! mihevera sy mba mandiniha ihany.
Tena mora ny mandroaka ireo mpivarotra amin’ny tany.
Saingy aiza izay mba vatsiny, aiza izay mba “fitsimbinana”?
Raha tsy misy dia ekeo f’ianao dia tsy afa-panadinana!

IRINA HO TAFITA (25-04-21)