VENDRANA SA NANDRA ?

Toa mamotaka daholo na tanora na ny sola.
(Tena hita miharihary ilay fisainana tia vola!)
Hoentina aiza re ry sola sy boaikely izay angonina?
Fa ny ataonareo rehetra, tsisy mahasoa ny mponina!

Zotra atao “manara-penitra”, tsisy maharatsy izany,
Saingy moa ve ny mpandeha dia ireo izay manam-bola ihany?
Fa raha ny olona sahirana, saino kely ka tsahivo,
Sarotra aminy ny sara dimanjato miampy arivo!

Dimanjato aza, tsarovy, f’efa ela no tsy takany,
Ka raha avo telo heny dia vao mainka tsy ho zakany.
Saingy ny anareo dia hafa, f’ianareo dia tia mamorona,
Ny fijery anefa, indrisy, tena hatreo an-tendron’orona!

O! ry sola nandrandraina mba hanitsy ny boaikely.
Nantenaina ianao “hanirina”, hay tsy izany velively,
Fa vao mainka kosa indray toa tena « mampivandravandra »,
Ka dia iza re no vendrana, iza kosa ilay hoe nandra?

IRINA HO TAFITA (09-04-21)