Covid-19 – Ed1 raokandro malagasy – Manazava ny mpamorona azy

Niha-nalaza tato ho ato fa fanafody mahery vaika entina miady amin’ny Covid ny Ed1 izay vokarin’i Dr Edmond Rakotomalala, mpitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana.


Manazava eto ny tenany mikasika ny asan’ireo fanafody raokandro malagasy Ed1 ka hatramin’ny Ed6.
Ny Ed1 hoy izy dia mamono tanteraka karazana tsimokaretina maro sy karazana aretina mifindra maro tahaka ity aretina Covid ity.

Tsy mifanipaka amin’ny fanafody avy any amin’ny hopitaly fa voa maika manafaingana ny fanasitranana rehefa mitambatra ny roa tonta.

https://www.facebook.com/groups/vaovao.mg/permalink/3915311155201307/