ALEFAO NY VAKISINY

‘Zahay ry boaikely aza rebirebena
Amin’ity ilay tambavy izay tsy nosedraina.
Tsy bitro voalavo ‘zahay ka terena,
Fa manan-tsafidy satria olo-miaina.

‘Nareo no tia dehaka sy hoerahoera
Ka faly mitsinjaka sy mitsamboatra.
Mba ny efa voasedra re aderadera,
(Sa tsy afa-mandinika lalina loatra?)

Mazàna mazàna dia ‘ty no tsikaritra:
Ilay fidedahana no hita kokoa,
Ka mibahana hatrany “ny mahafinaritra”
Fa tsy dia tazana “ny mahasoa”.

…Anatranatra sisa no aleo holazaina,
‘Zahay efa miandry an’ilay vakisiny.
Mba ny efa voasedra no aleo ampiasaina,
Fa aza midohika amin’ny anareo iny!

IRINA HO TAFITA (23-03-21)