13 Marsa – Taratasin’ny mpamaky

Nitsidika ny pejin’ny Minisiteran’ny Mponina aho, noho ny actualité 150M$ FSS ! Indrisy fa lasa Doma Pub sy Injet sisa ny Minisiteran’ny Mponina ankehitriny.

Tsy misy afa-tsy dokam-barotra ho an’i Mialy Rajoelina sy ny association Fitia ao. Tsy misy mahalala izay anaran’ny minisitra amin’izao rahateo. Fa efa mba niatrika négociations tany am-pita ve io Ramatoa io? Sa manao sonia fotsiny dia avy eo midedaka? Ary io ve mba ho sahy mikapoka latabatra rehefa mitady hanao fetsifetsy ny vazaha PTF? Sa manabe takolaka aty Antana-narivo fotsiny, variana manao “propagande-n’i Mialy en permanence”, fa ny any Atsimo kere ny kere; ny any Majunga, mananika ny Covid; manerana ny Nosy, ny mpianatra koa kere fa tsy voaloha ny bourses; ny mpifindra-monina manomboka miorim-ponenana eny ambany tonelina; ny vahoaka rehetra tsy misy tsy mitaraina…

Fa ireo mpitondra sy ny fianakaviany ihany no voky, mameno paosy. Ny mpisolelaka moa dia misolelaka, mitsimpona miettes. Ka izay no ataoko hoe… ampy izay ! Farafaha ratsiny, ajanony ny dedaka fa tsy alehany ianareo ! Hajao ny asan’olona !!!

Mpanarivo GTT la Reunion