DIDY JADONA?

Moa tsy ianareo ihany no avo feo sy nigagana,
Ka nampianatra ny atao hoe fanonganam-panjakana?
Nolazainareo fa io no lalana tena tsy azo ihodivirana,
Raha tsy mihaino ny mpitondra ka tsy misy ny mangirana.

Dia niteny koa ‘nareo no sady nanamafy hoe:
Tena azo atao dia azo atao ny midina eny an-dalambe,
Mba tena ho hitan’ny mpitondra zatra ny mampandry adrisa,
Ny manjo sy maharary ireo vahoaka an-tapitrisa.

Kanjo fe ankehitriny, nony azo ve ny toerana,
Dia mivadika ianareo ka sahy mihiaka tsy am-piheverana
Fa voarara, tsy azo atao rehefa hetsi-pitakiana,
Sady tena tsy andeferana raha vao hoe mba manakiana?

Iza izany no hanitsy ny hagegena sy hadalana
Izay nataonareo mpitondra mba nahazo fahefana?
Sa dia hoe “’zay tiako ihany” ny anareo no averimberina,
F’efa izao ilay didy jadona tsy azon’iza mba toherina?

TSIMIMALO (06-03-21)