RY VEHIVAVY MALAGASY !

(Atolotra noho ny ANDRON’NY VEHIVAVY 08 MARSA 2021)

Ry vehivavy, matokia ka mijoroa raha mino ianao,
Fa momba anao ilay Tompo tia, akaiky sady tsy mandao.

Ny fahoriana izay misesy, handalo foana ihany ireny,
Fa ianao dia ho mpandresy raha Jesoa no Kapiteny.

‘Ndao hiaraka manonja, hisafidy ny ho mpanohitra.
(Ny finoana kely monja, mahafindra tendrombohitra!)

Hotoherina ny ratsy, avia ka mifandraisa tanana,
Dia hiposaka atsy ho atsy ilay marainam-piadanana!

Tano ny firaisan-tsaina, fisarahana halaviro.
Ianao indrindra no ilaina mba hijoro ho tena jiro,

Dia hisava ny hamaizinana ‘zary nampitondra faisana,
Ka ny lalam-pahamarinana, io no hany zotra iraisana.

Mijoroa ry vehivavy, ry fanaingam-pivoarana.
‘Ndao hibanjina ny hoavy, aleo ny tsara no ianarana.

Misy tanjona kinendry, mirosoa, aza mijanona,
Fa ny “vehivavy hendry” mira “firenena vanona”!

TSIMIMALO (08-03-21)