RY MPITONDRA “LANY FAHANA”

Lany ve ny fomba tsara hampandrosoana firenena,
Ka dia ny haratsiam-panahy no hany sisa mba volena?
Saina ratsy, fomba ratsy, izany sisa no mibahana?
Izay no hany mba talentanao “mpitondra lany fahana”?

Ny eny Faravohitra eny ve no manahiran-tsaina,
Dia ‘zahay “tanàna ambany” no omena tehamaina?
“Reniny” no mahatezitra ary mahamaimbo ra,
Dia tena hatramin’ny “zanany” avy no nanaovan-tsinemà?

Ambohijatovo ve no hisy fivorian’ireo mpanohitra,
Dia ny aty Antsirabe no tsy afa-mihazo renivohitra?
“Inona àry akia no idirako”, hoy ny maro raha nandre.
Ny vorona no manadala dia kapaina ny hazobe?

…Fa lany ve ny fomba tsara ka dia fomba mamohehatra,
No hany sisa arangaranga sy entina mba miaka-tsehatra?
Mihevera, mandiniha sao efa tena “lany fahana”,
Ianareo izay tsy mahomby nefa mbola tia mibahana!

TSIMIMALO (24-02-21)