TENA TAFIKA EFA NIDIKA – NY MIHEMOTRA FADY AMINTSIKA

Ataovy ny tatitra ry solombava,
Dia hitrikitriho sy teneno mazava
Ny zava-tsy mety sy tsy ara-dalàna,
Ikirizan’ny ao amin’ny fitondrana.

Ny kianja anasana dia manan-tantara,
Satria notokanana sady nambara
Fa Ambohijatovo no izy satria
Eo no kianjan’ilay hoe demokrasia.

Dia manentana antsika, tongava, tongava,
Mba hihaino ny tatitr’ireo solombava.
Na misy aza sakana efa nomanina,
Hiara-manonja ny tia sy ny manina.

Avela hitsinkafona ireo hevi-dratsy,
Sy ny asa maloton’ireo lany vatsy.
“Tsy maintsy miroso” no baiko nomena,
F’izany no avotr’ity firenena!

Ny foza no zatra manao dia miverina.
Ny asa malotony, andeha hotoherina.
Hiroso, tsy mioman-kihemotra isika,
F’izao ilay hoe “tafika efa nidika”!

TSIMIMALO (18-02-21)