Oniversite Toamasina – Nahafaty mpianatra ny mpitandro filamainana – Atsaharo ny herisetra ry Rajoelina sy ianareo forongony

Oniversite Barikadimy Toamasina - Nahafaty mpianatra iray ny mpitandro filaminana (18 marsa 2021)

Ny Valosoa

Iza no mandatsa-drà ankehitriny? Iza no manakorontana ankehitriny? Iza no nandainga foana hatramin’izay? Tsy ny mpanohitra velively.

Mampalahelo ary melohina marin-drano ny fandatsahan-drà ataon’ny fitondrana androany manoloana ny hetsika milamina ataon’ny mpianatra mitaky ny zony. Rehefa tsy mahavaha olona ny fitondrana dia ny fampiasana herisetra foana no hany sisa hery.

Eto dia miondrika izahay eto amin’ny Valosoa eo anatrehan’ny fianakaviana izay namoy ity zanany mbola vao 23 taona mpianatra ao amin’ny oniversite ao amin’ny sampana ekonomia taona faharoa, ary mankahery ireo voaratran’ny mpitandro filaminana.

Manoloana izao fandatsahan-drà izao, dia takianay amin’ny fitondrana ankehitriny ny fanatsaharana tsy misy hatakandro ny fampiasan-kery rehetra amin’ny vahoaka, izay tsy manao afa-tsy ny mitaky ny zony am-pilaminana. Ary torak’izany koa ny mikasika ny tatitra izay ho ataon’ny solombavambahoaka ny asabotsy 20 febroary ho avy izao, aoka halalaka ny fanatanterahan’izy ireo ny andraikiny eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia araka ny voafaritra ao anaty ny Lalampanorenana.