Fitazomana an’i Rolly Mercia am-ponja – Dian-tanan’i Mamy Ravatomanga?

Lanzelo

Raharaha maloto maro eto amin’ny firenena sy any ivelany no mahavoatonontonona an’i Maminiaina (na koa Mamy) Ravatomanga, mpirahalahy mian’ala amin’ny filoha ankehitriny sy namatsy vola azy nandritra ireny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana ireny. Raha tsy ny anarany mihitsy no voatonona dia ny vondrona Sodiat izay tantanany, no re miverimberina. Ny orinasa Auto-diffusion, anaty ny vondrona Sodiat, no nanafarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny Cadillac ampiasain’ny filoha [1]. Ny fiaramanidina nitondra ireo volamena 73,5 kilao sy vola “36 millions d’euros”, dia an’ny orinasa STA, izay mbola ao anaty ny vondrona Sodiat. Ny fanondranana lodisia (litchis) [2] dia tsy tafavoaka raha tsy mahazo ny fankatoavan’i Mamy Ravatomanga. Ny fanaovana am-pihimamba ny orinasa Jirama tamin’ny andron’ny tetezamita dia mbola izy ihany. Ny andramena, sy ny sisa tsy tamby isaina dia mbola ny anarany no miverimberina.

Raha ny raharaha any ivelany izay nahavoatonontonona ny anarany indray no resahina dia teo ny raharaha “Panama Papers” izay nahitàna anaran’olona maromaro [4] monina eto Madagasikara, izay nampiasa orinasa any Panama entina amotsiana vola na ialàna amin’ny fandoavan-ketra. Maro ireo mpanao politika tany ivelany tafiditra tamin’io lisitra io, ary tonga dia nametra-pialàna na nifanaraka tamin’ny fireneny misy azy, fa ny eto amintsika dia voaaro tanteraka izy ireo ary tsy nisy fanerena hamerina ireo vola any ivelany hiverina eto amin’ny firenena. Tao anaty io lisitra io koa ireto mpivady frantsay Isabelle sy Patrick Balkany, izay ny lehilahy no ben’ny tanàna tao Levallois-Perret (France). Raharaha maro no naha-voahenjika an’i Patrick Balkany sy nanagadrana azy, fa ny iray tamin’izy ireo dia indro nahatonga ny fampanoavana tao Paris (PNF – Parquet National Financier de Paris) nanadihady momba ny kolikoly nanodina ny fividianana “appartement” telo tao Levallois-Perret sy “pavillon” iray tao Saint-Maur des Fossés, mitentina “4,5 millions d’euros”.

Tamin’ity raharaha farany ity, ny volana jiona 2017 dia nangataka fiaraha-miasa tamin’ny fitsaràna Malagasy ny PNF, ary dia voambara fa nisy ministry ny serasera taloha teo anelanelan’ny taona 2011 sy 2014, izay nitsangana ho vavolombelona [8]. Mazava araka izany fa i Rolly Mercia, izay tao anaty ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina, ilay nitsangana ho vavolombelona. Mazava koa fa valifaty misy ny dian-tanan’i Mamy Ravatomanga izao fitanana an’i Rolly Mercia am-ponja izao, amin’ny alalan’ny famolahany ny fitondrana Rajoelina sy ny rafi-pitsaràna. Na dia efa nanambara tamin’ny mpitsara aza i Félicien fa nisy naniraka azy handainga ka tsy nandray anjara velively tamin’ny hetsika izay nataon’ny mpianatra i Rolly Mercia, ary na dia marefo aza ny fahasalaman’ity farany dia tsy noraisin’ny mpitsara ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava.

Ny 13 oktobra 2020, andro nialoha ny fitsaràna izay namelohana an’i Rolly Mercia telo taona sy valo volana an-tranomaizina, dia nanao taratasy ity farany ho an’ny PNF ilazàna fa misintona ny fijoroana ho vavolombelona ary nampahafantatra izany tamin’ny filoha Andry Rajoelina. Vokatr’izany ve no nahatonga an’i Maminiaina Ravatomanga nametraka fitoriana an’i Rolly Mercia, ny 23 oktobra, fa nijoro ho vavolombelona amin’ny tsy marina? Ny niafarany anefa dia tsy nandefa ny taratasy tany amin’ny PNF i Rolly Mercia.

Eto am-piandrasana ny fitsaràna izay nahemotra ny faha-5 martsa 2021 manoloana ny fihemoran’i Félicien, izay vavolombelona tokana, dia nametraka fitarainana i Rolly Mercia eo anivon’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona.

 

[1] https://blogs.mediapart.fr/la-voix-du-sud/blog/010519/madagascar-une-armee-divisee-et-mercenaire
[2] https://www.lemonde.fr/economie/article/2020/12/22/ce-monopole-m-empeche-de-travailler-a-madagascar-un-parfum-de-scandale-flotte-sur-les-litchis_6064161_3234.html
[3] https://blogs.mediapart.fr/la-voix-du-sud/blog/160519/levallois-perret-de-balkani-rajoelina
[4] https://offshoreleaks.icij.org/search?c=MDG
[5] https://www.lexpress.fr/actualite/societe/justice/quand-l-argent-malgache-finit-a-levallois_2005995.html
[6] https://fr.wikipedia.org/wiki/Affaire_Balkany
[7] https://www.madagascar-tribune.com/L-ancien-ministre-Rolly-Mercia-condamne-3-ans-et-8-mois-de-prison.html
[8] https://www.africaintelligence.fr/afrique-est-et-australe_politique/2021/02/12/accusateur-de-ravatomanga-l-ex-ministre-rolly-mercia-tente-le-joker-onu-pour-sortir-de-prison,109642302-ar1