Andry Rajoelina – Volamena 150 taonina isan-taona – Tsy avelany ho sitrahan’ny Malagasy

Tsy nieritreritra, tsy mieritreritra ary tsy hieritreritra ny hamoaka ny vahoaka Malagasy amin’ny fahantrana mandrakizay i Andry Rajoelina sy ireo forongony, ary vonona ny hamono azy aza. “Mpamono olona! Assassin! Killer!” no azo amehezana azy araka ny sary efa nivoaka tamin’ny tranonkala sy FB Ny Valosoa taona lasa. Onja roa matanjaka no isany nipoaka androany 21 febroary 2021 tao amin’ny fandaharana Miara-manonja manamarina izany.

Ny onja voalohany dia mifandraika amin’ny raharaha fampidirana fitaovam-piadiana raitra tsy ara-dalàna tamin’ny taona 2018 nialoha kely ny fifidiana filohan’ny repoblika. Ny tatitra nataon’ny loholona tompon’andraikitra tamin’ny vaomiera fanadihadiana momba izany teo anivon’ny haino aman-jery moa dia efa nanambara mazava fa tsy ara-dalàna ny fidiran’ireo fitaovam-piadiana ireo. Fa ny vaovao azo androany dia ny porofo mazava nentin’ny mpanao gazety sy mpanao politika Guy Ralaiseheno fa i Andry Rajoelina mihitsy no tompon’andraikitra tamin’izany. Ny 16 oktobra 2018 tamin’ny maha-filoha mpanorina ny IEM azy no nanao fangatahana halalana ny tenany hanao fanandramana na “mission d’expérimentation” tamin’ny ministry ny fiarovam-pirenena, izay hanafarana “experts” avy ao Afrika Atsimo hampiseho ny fampiasana “drones”. Izany karazana zava-manidina izany dia mahatratra velarana 4m, afaka misidina haavo 4km ary halavirana 360km. Nolavin’ny ministry ny fiarovam-pirenena anefa izany fangatahana izany noho ny fifidianana efa manakaiky ary hisian’ny filaminana. Ahoana anefa ny hatairana fa indreny “drones” niisa telo no niseho ny andron’ny fiainianan’i Andry Rajoelina ho filohan’ny repoblika ny 19 janoary 2019.

Ankoatr’ireo “drones” dia efa tazan’ny rehetra koa ireny fitaovam-piadiana raitra toy ny “blindés” izay tafiditra an-tsokosoko teto amin’ny firenena, izay manitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena. Ny tompon’andraikitra, ministra telo, tamin’izany fotoana izany anefa dia nilaza mazava fa tsy izy no nanafatra ny fitaovam-piadiana ary tsy nisy tetibola 2018 natokana ho an’izany. Nandramana nosaromana indray fa hoe tao amin’ny tetibola 2017 no nandaniana 15 miliara ariary, kanefa vokatry ny fikarohana dia basy no nafarana tamin’izany. Mazava araka izany fa i Andry Rajoelina no nanam-pikasana hanafatra ireo fitaovam-piadiana ary nahatafiditra izany an-tsokosoko.

Ny gazety “Mediapart” moa dia efa namoaka tamin’ny tranonkalany mikasika an’io fanafarana fitaovam-piadiana io tamin’ny taona 2019, ary nilazàny fa ny orinasa “Auto Diffusion” tantanan’i Mamy Ravatomanga, ilay akama tsy foin’i Andry Rajoelina, no nanafatra ireo fitaovam-piadiana ireo, ary tsy afa-bela amin’izany ny praiministra, Christian Ntsay, ny ministry ny atitany Tianarivelo Razafimahefa ary ny talen’ny ladoany Narivony Rabenja, raha tsy hilaza an’ireo fotsiny.

Izany rehetra izany dia mampiseho fa fiomanana sy fahavononana haka fahefana n’inon-kidona n’inon-kihatra ny an’i Andry Rajoelina. Tsaroina ny tsy fihafahafàny nandatsa-dra tamin’ny 7 febroary 2009 ireny, ka azo saintsainina fa raha resy tamin’ny fifidianana teo izy dia nihoatra lavitra ny tamin’ny 7 febroary ny rà latsaka. Soa fa hendry ny filoha Marc Ravalomanana ka nanaiky ny fanambarana navoakan’ny HCC.

Ny onja faharoa dia avy amin’i Tabera Randriamanantsoa, filoha lefitry ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) sy mpitarika ao amin’ny CRN (Filankevitra amin’ny Fampihavanam-pirenena), izay namaky bantsilana ny fihetsika mamoa fady nataon’i Andry Rajoelina ka tsy namelany ny Malagasy hisitraka ny tombon-tsoa avy amin’ny harena volamena avokatr’ity Nosy ity.

Tamin’ny fotoana tetezamita izay naha-ministra an’i Tabera Randriamanantsoa no miseho ity tantara ity, izay resaka volamena ihany koa. Tsikaritra tamin’izany fa gaboraraka ny fanondranana volamena, ary fantatra fa i Yves Roger Rajoelina, rain’i Andry Rajoelina, kolonely misotro ronono, dia nahavita nanondrana volamena nahatratra 60kg isan-kerinandro amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Rehefa nandeha ny vaovao tao anaty governemanta fa nisy izany fanondranana volamena isan-kerinandro izany dia tapakevitra ny ministry ny indostria, Ramatoa Daniela Randriafeno, fa hamolavola tetikasa amehezana izany gaboraraka manodidina ny volamena izany, ka ny Banky Foibe no hifehy ny volamena 150 taonina vokarin’ny firenena isan-taona. Nentina teo amin’ny filankevitry ny ministra àry ny tetikasa, indroa miantoana, ary dia lany ny talata faharoa. Taorian’ny fivoriana faharoa no nantsoin’i Andry Rajoelina ny ministry ny indostria mba tsy hitondra ny tetikasa eo anatrehan’ny filankevitry ny ministra ny alarobia manaraka raha tsy izany dia ho roahiny. Teo ny ministra Daniela Randriafeno no niantso vonjy tamin’i Tabera Randriamanantsoa, izay avy hatrany dia namorona ekipa hiarovana azy. Rehefa tonga ny fotoana fivorian’ny filankevitry ny ministra, ka anjaran’ny ministry ny indostria ny nandray fitenenana dia tsy nisy resaka ilay tetikasa fa lahakevitra hafa no resaka. Teo anatrehan’ny fanontaniana napetraky ny ministra Tabera Randriamanantsoa tamin’i Andry Rajoelina momba ny antony dia novaliany fa izy no nanala ny lahadresaka tetikasa amehezan’ny Banky Foibe ny volamena. Teo dia rava ny fivoriana tao anaty 15 minitra fotsiny ary lasa nitsoaka ny filohan’ny tetezamita.

Izany sy izany no nahatonga ny filoha Albert Zafy nitory an’ny rain’i Andry Rajoelina. Io fitoriana io dia mbola misarona ao amin’ny Fitsaràna ao, tsy misy tohiny. Tsy mahagaga, hoy i Tabera Randriamantsoa, raha mivoaka izao raharaha volamena izao satria resaka niverina matetika nandritra ny filankevitry ny ministra nandritra ny tetezamita ny resaka volamena. Tsy vitan’ny volamena ihany hoy izy fa ao koa ny resaka “bois de rose” ary mbola maro ny dosie navelan’ny filoha Albert Zafy manameloka an’i Andry Rajoelina ho mpangalatra sy mpandainga rehefa vonona ny Fitsaràna tena ara-drariny. Mbola ao koa ny resaka Remenabila tany Atsimo izay tetika famongarana ny mponina hahafahana mitrandraka diamondra. Tsy gaga isika raha tsy nisy ny fandraisan’andraikitra mialoha mikasika ny kere. Ny antony dia paikady maizina avo lenta hanesorana ny mponina hahafahana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Fanahy tena maizina mihitsy izany miketrika ny hamela olona ho mosary mba hialàny amin’ny taniny.

Hita taratra araka izany fa tena mpamono olona i Andry Rajoelina, misary amboadia mitafy hodin-janakondry. Nahavitàna Paris sy Miami ary ireo velirano nampanantenainy rehetra izany tetikasa amehezan’ny Banky Foibe volamena 150 taonina isan-taona izany, raha tena nikatsaka ny soa ho an’ny Malagasy izy, saingy mazava izao fa kasainy ho fehezina ho azy sy ny fianakaviany ary ny akamakama samirery ny harem-pirenena.

Koa fotoana izao itsanganan’ireo olompirenena rehetra miandrandra ny tena fivoarana ary fialàna amin’ny fahantrana, hiara-kanonja, hiara-kijoro hitaky fanazavàna avy amin’i Andry Rajoelina mikasika ireo asa ratsy rehetra nataony; ilay Andry Rajoelina izay nampindramin’ny vahoaka fahefana fa tsy tompony akory. Fotoana izao hoy i Tabera Randriamanantsoa hanatanterahana ny hetahetan’ny filoha Albert Zafy, hihavanan’ny vahoaka Malagasy, hitantanantsika ny harentsika, ny toe-karentsika, hijoroan’ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana hiaro sy hilaza ny marina. Raha izay no tanteraka dia hiala amin’izao fahantrana sy fijaliana isan’andro vaky izao vetivety ny Malagasy manerana ny Nosy, “dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay!”.

Nangonin’i Lanzelo

Rohy:
Madagascar : une armée divisée et mercenaire
https://blogs.mediapart.fr/la-voix-du-sud/blog/010519/madagascar-une-armee-divisee-et-mercenaire

Fandaharana Miara-manonja 21 janoary 2021
https://youtu.be/Os6tJ1Qu68E