Fandaharana Miara-manonja – Raharaha volamena – Anaty tambazotra i Norbert Lala Ratsirahonana

Norbert Lala Ratsirahonana

Ny Valosoa

Tao anaty ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona no novoriana ireo ben’ny tanàna. Ny nahagaga dia fotoana lava no niompanan’ny resaka volamena, ary Ingahy Norbert Lala Ratsihonana no nandrindra io resaka io. Tamin’izany no nilazany fa “Ingahy Rabetsaroana dia vonona handray izay volamena avokatrareo, izay manana volamena … Raha misy manana volamena any, na afaka mikarakara volamena, ento hono ho vidiny”. Ary mbola nampiany hoe: “… aiza indray ianao no hi-praopagandy rangahy ity e … rehefa tsy manan-karena amin’izany ianareo tsy manan-karena intsony.”

Fifanandrifian-javatra ve izany sa resaka tambazotra goavana?

Azo an-tsaina fa tsy misy taratasy izany fividianana volamena izany ary fampielezan-kevitra no atao, kanefa fanelanelanana amina varotra volamena ao anaty tambazotra goavana no miseho eto. Tsy mahagaga araka izany iny tranga famoahana antsokosoko ny volamena 73,7kg tany Afrika Atsimo iny, izay santionany fotsiny amin’izay efa naondran’ny tambazotra izay itsabahan’izao fitondrana izao, raha tsy hilaza fa tena isan’ny tompon’andraikitra.

Mbola tsy tapitra ny marina izay hipoitra ary eto isika hanaraka ny tohiny. Mazotoa manaraka ny fandaharana Miara-manonja.