Andry Rajoelina – Meloka nanao fahotana mahafaty amin’ny firenena na “coupable de Haute Trahison envers l’Etat”

Ny Valosoa

Tonga nanao tatitra tamin’ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra androany 19 janoary ireo loholona tompon’andraikitry tamin’ireo vaomiera nanao fanadihadiana mikasika ny raharaha efatra izay isan’izany ny resaka ‘doublons’ sy ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna.

Nitondra santionany tamin’ireo porofo toy ny kara-panondro misy ny laharana miverimberina izy ireo. Voamarina ny teny navoakan’ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, Thierry Rakotonarivo, fa nahatratra 1.200.000 isa ireo “doublons”, izay nanova ny voka-pifidianana.

Nivoaka ny marina ary am-pomba ofisialy izao no ilazàna fa nandroba fahefana tamin’ny alalan’ny fidfidianana i Andry Rajoelina. Norobaina araka izany ny safidim-bahoaka. “Zavatra mahatalanjona sy mahazendana ny zava-mitranga, ary amin’izao fotoana izao dia hitantsika ny fiantraikany. Ary izay ilay hoe: raha mbola hisy koa ny farany dia tsy foana ny fanantenantsika! Hita izao ny asa ratsy, hosoka tsy fampiseho masoandro nitranga tamin’ireny fifidianana ireny”, hoy ny filoha Ravalomanana. “Ka anjarantsika ny mampiseho fahasahiana sy mamelona indray ao anaty ny fontsika sy ny fiainantsika ny hasin’ny firenentsika, satria mahamenatra sy manala baraka ny zavatra toy izao”, hoy koa izy.
Singanina tao anaty ny tatitra fa nandika lalàna daholo ireo ministra am-perinasa izay nampanantsoin’ireo loholona nandritra ny asa fanadihadiana, kanefa dia tsy namaly ny antso. Fa ny ministry ny fahasalamana, Ahmad Ahmad, teo aloha kosa dia tonga.

Notaterin’ireo loholona koa ny momba ny raharaha fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika taloha kely ny fotoam-pifidianana. Ka ny praiministra ankehitriny, Christian Ntsay, no niandraikitra ny filaminana ankapobeny tamin’izany satria nesorina tamin’ny filoham-pirenena nisolo toerana, Rivo Rakotovao, izany fahefana izany tamin’ireny fotoana ireny.
“Rehefa misy firenena iray mampiditra fitaovam-piadiana tsy manaraka ny fepetra sy fenitra tokony arahina dia “trahison”, hoy ny filoha Ravalomanana. Raha tsy nifanandrify tamin’ny valim-pifidiana notetehina izany no nitranga dia zava-doza no niseho teto amin’ny firenena.

Filoha mpandroba sy mpamadika tanindazana izany ankehitriny no mitondra firenena. Ary azo lazaina fa miray petsapetsa amin’ny lehiben’ny mpandroba sy mpamadika, daholo ireo tompon’andraikitra rehetra miara-miasa aminy. Ahoana no fomba mbola hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana? Tsy hisy intsony ny fanajàna ity rafi-pitondrana ity satria mazava toy ny vay an-kandrina izao fa mpangalatra iray trano daholo. Raha misy ny soa mbola azon’ity filoha meloka ity eo anatrehan’ny tanindrazana dia ny mametra-pialàna. Saingy azo saintsainina fa raha ny ezaka rehetra nataon’i Andry Rajoelina sy ireo forongony amehezana ireo rafi-pitondrana sy andrim-panjakana rehetra sy hanaovana rapa-dango ny harem-pirenena dia hitohy ihany ny di-dohany. Ka dia hahita ny tohiny eto isika fa samia velon’aina!