Kere any Atsimo – Olona 9 hetsy eo no hisitraka ny fanampiana hoentin-dRavalo

Helisoa

Araka ny voalazantsika tamin’ny laharana farany tamin’ny gazety, efa miomankomana hanatitra ny fanampiana ho an’ireo havana kere any Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy.

Fantatra fa olona miisa hatramin’ny 9 hetsy eo no hisitraka ny fanampiana hoentin’i Dada any an-toerana, fanampiana vokatry ny tolo-tanana nataon’ny tanora TIM sy RMDM tetsy amin’ny Magro Behoririka, sy fanampiana fanomezana azo tamin’ny tsingerin-taona nahaterahany tetsy Bel’Air Ampandrana ny sabotsy teo.

Raha ho an’ny tolo-tanana tetsy amin’ny Magro Behoririka, nahomby ny tolotanana nataon’ny tanora TIM sy RMDM. Tontosa soa amantsara ny hetsika tolotanana nokarakarain’ny tanora Tiako i Madagasikara, izay natao tao amin’ny Magro Behoririka . Na tao anatin’ny andro sarotra sy fahasahiranana aza ny Malagasy amin’izao fotoana izao dia maro no namaly ny antso, nitondra fanomezana, mba ho fanampiana ireo havana tratry ny kere any atsimon’ny Nosy, nisy koa ireo namana sy tapaka avy any dilam-bato nanome fanomezana tolo-tanana izay. Vola mitentina 8 tapitrisa ariary, vary miisa 50 kitapo, siramamy 3 kitapo, akanjo miisa 11 gony, menaka 107 litatra, savony 204, biscuit, farilac sns… no voaangona tamin’ity hetsika tolo-tanana ity.

Amin’izao fotoana izao dia efa miomana amin’ny fikarakaràna ny fandefasana ireo fanomezana ireo any Atsimo ny tanora TIM, Tiako i Madagasikara miaraka amin’ireo kadoa natolotra ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany ny sabotsy 12 desambra lasa teo.

Fahombiazana ny fikarakaràna nataon’ireo tanora TIM sy RMDM tamin’izao hetsika voalohany izao. Nilaza moa ny filoha nasionalin’ny antoko TIM sy ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Marc Ravalomanana, fa santatra ambavarano ihany izao hetsika izao, fa mbola hitohy ny fijerena ireo mpiray tanindrazana tratry ny tsy fahampiantsakafo any Atsimo ireo.

Ho an’ny fanampiana any Atsimo, tapaka tamin’ny sabotsy teo fa vary 50kg isan’olona no omena ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, menaka 5l isan’olona, siramamy 2 isan’olona, rano 4 tavoahangy isan’olona, ronono 4 boaty isan’olona, savony 5 isan’olona.