Taona 2020 – Taona tsy nahazoan’ny mpitondra ny naoty 20/20

Andry Tsiavalona

Hifarana ny taona 2020 izay tany amin’ny fiandohany dia niandrandra ny maro, fa ho taom-pahombiazana ity taona ity, satria nomena ny naoty 20/20. Raha ny marina anefa ny fitsarana, mba hanomezana izany naoty izany dia arakaraky ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena.

Raha ny zava-nisy niainan’ny Malagasy tamin’ity taona ity dia miiba avokoa izany hoe raha omena naoty izany ny mpitondra dia ambanin’ny aotra no azony, satria na teo amin’ny lafiny sosialy, na teo amin’ny lafiny toekarena, na teo amin’ny lafiny fitantanana dia ratsy dia ratsy. Niezaka namilivily ny saim-bahoaka tamin’ny zavatra manaitaitra sy mirentirenty ary ny “werawera tsy maintsy mandeha” ny mpitondra kanefa nandalo ihany ireny, fa tsy mitoetra ary tsy manova ny fahasahiranana mianjady sy mihàtra amin’ny taolana iainan’ny valala be mandry.

Tsy takona hafenina ny fiantraikan’ny valanaretina covid-19 sy ny hamehana ary ny fihibohana tsy maintsy niainana satria very asa ny maro, tsy afaka nitady vola toy ny fanaony tany aloha ny mpivarotra, na ara-dalàna na tsia. Tsy nisy mpizahatany afaka niditra ka nifohofoho volo ny mpisehatra amin’ny fizahantany. Satria tsy azo nivezivezena ny làlam-pirenena dia tsy tafavoaka ny vokatry ny tantsaha na dia nampanantena, araka ny fanaony, fa hividy azy ireny aza ny filohan’ny Repoblika. Fanorenana ozinina hanodinana ny vokatra avy amin’ny fambolena hatao am-by fotsy no tokony ho laharam-pamehana satria sady tsy simba ny vokatra no miteraka asa ho an’ny mponina manodidina ihany koa izany.

Tsy voafehy ny valanaretina satria dia mirongatra indray izany amin’ny tendrony avaratry ny Nosy. Tsy misy intsony koa ny fanomezana tarehimarika momba izany, fa dia vaovao miparitaka eny amin’ny tambazotra sosialy no miparitaka.

Tokanana ny sekoly “manarapenitra” tsy mandray mpianatra “dondrona” kanefa tsy zarizary ny fampianarana tamin’ity taona ity ary any amin’ny tanàna misy trano fianarana tsizarizary no tokony hanorenana ireny sekoly voalaza fa “manara-penitra” ireny. Ambonin’izany dia nolazaina fa tsy mandoa vola ny fisoratana anarana any amin’ny sekolim-panjakana dia ny mifanohitra amin’izany no zava-misy. Na izany na tsy izany dia mbola betsaka ny mpampianatra Fram, izay amin’ireny vola aloa amin’ny fidirana ireny no handoavana ny karamany kanefa ny mpitondra nanapa-kevitra tsy nijery izany sady tsy mandrotsaka fanampiana (subvention) entina mameno izany.

Efa nanafatra vary 16.000 taonina, hono, ny mpitondra volana maro lasa izay. Tsy mbola heno hatramin’izao hoe aiza ho aiza izany vary izany. Mbola hanafatra ihany koa anefa, ka tsy ny fananganana ozinina mpamokatra lafarinina izany no tokony haorina eto, fa fananganana tohodrano hanondrahana tany hajariana ho tanimbary. Fanatsarana ireo tambazotrana lakan-drano any amin’ireo lemaka sompitra ara-bary no ezahina satria sady hampitombo ny vokatra izany, mba tsy hanafarana vary intsony ary hampitombo ny harinkarena eto amin’ny Firenena.

Anisan’ny tokony nahazoan’izao fitondrana izao naoty tsara avy amin’ny vahoaka entina ihany koa ny famerenana ireo Nosy Malagasy. Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety vahiny ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, volana maro lasa izay dia nilaza fa ny famerenana azy ireo no takiany ary ny 26 jona lasa teo no tokony ho vita ny fifampiraharahana kanjo nisy ny valanaretina. Vao omaly ny omaly indray anefa dia niantso vonjy tamin’ireo filoham-pirenena ao amin’ny Vondrona Afrikana izy mba hanampy azy hitady marimaritra iraisana amin’i Lafrantsa momba ireo Nosy ireo. Tsy famerenana intsony izany no takiana amin’i Lafrantsa fa fitadiavana izay mety hifanarahana. Tsy ireo filoham-pirenena afrikana no handeha hilahatra hitaky an’izany amin’ny fanjakana frantsay, ka tokony ho ny Malagasy no entanina hiray feo sy hiray hina hitaky an’izany. Ny mpiray firenena aza tsy resin’ny fitondrana lahatra amin’izany, ka tsy ny any ivelany velively no hiroso amin’izany fitakiana izany.

Nirehareha ny filohan’ny Repoblika IV-2, fa manana ny misy izay ilaina rehetra eto Madagasikara hahatafita azy (Nous avons tout pour réussir, dixit). Tsy mbola ho amin’ny 2030 akory no hisandratra ity Nosy ity satria tsy mbola mitsahatra ny milentika izy hatramin’izao.