SEKOLY MANARA-PENITRA ?

Vao aty am-piandohana dia mazava tsotr’izao
Fa tsy ho anay mahantra akory ny manara-penitrao.
Ireo fitsipika sy lamina ny amin’izay ho fampidirana,
Dia efa sakana ho anay izay zanak’olona sahirana!

Aza mino ianao fa hoe raha misy roa ny mpifaninana,
Dia ny olona mahantra no ho afa-panadinana,
F’efa sakana ho azy, na dia hoe tsy itarainany,
Ny tsy fanjarian-tsakafo sy endri-pahantrana iainany!

Aza mino koa ianao fa hoe tsy ho tonga any an-tsekoly
Ireo karazan-drisoriso sy fanaovan-kolikoly.
Fa ny sehatra rehetra no efa ahitana izany.
Vola hatreto no miteny, vola foana hatrany hatrany!

Tena tsy azo iadiana hevitra fa ny re sy hitanay,
Dia ‘reo ‘zay manam-bola hatrany no matetika mahay.
Tsy hoe dia “donto” ireo mahantra, na nateraka ho “dombo”,
Fa ny manana matetika dia tsy maintsy manatombo!

Ka aty am-piandohana dia efa fantatray sahady,
Tsy ho anay mahantra akory, tsy ho anay izay “mafy ady”,
Ity ilay hoe “manara-penitra” nidedahanao minisitra,
Fa vao miainga kay ‘zahay dia efa tsy ao anaty lisitra!

IRINA HO TAFITA (06-12-20)