O I O ‘NDEHA HIANATRA IZAHAY

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
F’ataovy mba mitafo ity sekolinay.
Ireto mpanabe, mba tena omeo karama,
Fa olo-mihinan-kanina Mose sy ry Madama!

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
F’ataovy metimety ny lakilasinay.
Tsy mila rendrarendra na zava-toy izany
Fa aoka kosa re tsy hitombina amin’ny tany!

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
Satria filamatray ny ho hendry sy mahay.
Fitaovanay rehetra dia entina amin’ny tanana,
Ka izarao kitapo f’izany no tsy ananana!

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
Handresy ny habadoana, izay no tanjonay.
Tolory aron’akanjo dia amin’izay mba jenitra,
Ka tsy ho teny foana ilay hoe “manara-penitra”!

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
Dia mba vangio matetika, tolory darazay.
Matetika izahay tsy mihinana maraina,
Ka mba jereo ihany fa maina tena maina!

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
Henoy re ry mpitondra izany hiranay,
Fa mila havaozina haingana ny seha-panabeazana,
Kanefa hatreto izany tsy hita sy tsy tazana.

O i o ‘ndeha hianatra izahay!
‘Nareo koa mba mianara, ‘nareo mpitondranay
Ho tonga olo-marina, ho tia manao ny tsara,
Fa tena mila izany i Madagasikara!

DADAN’I ZINA (29-11-20)