DISODISOKELY INDRAY ?

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina?
Tsy nahomby loatra angaha ity CVO izay noderaina?
Andeha hividy vakisiny sy hanafatra indray,
Kanefa ny krizy ity vao mainka tena mahamay?

Mampametraka baraingo, aiza izao ankehitriny
Ilay tambavy nidedahana ary koa ilay vakisiny?
Modimody toa mangina, mody adala ve ‘nareo,
Sa tena disodisokely ka dia tsy mamoaka feo?

Artemesia no mety sa ny fambolena vary?
Fa raha mbola izao no hitohy dia be no ho fatin`ny mosary.
Ny kapoakam-bary izao mananika ny fitonjato,
Ka dia tena tsy hay intsony izay hohanina ato ho ato.

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina?
Hidina ny vidim-bary, izany anie no nodradraina!
Ho lasa fitonjato ariary ny kilao (fa tsy kapoaka ).
Velombolo tamin’izany sady faly ny vahoaka!

… Kanjo disodisokely ny filohanay hajaina!
Tsy vao hoe indray mandeha fa efa tena tsy hay isaina!
Raha indroa na hoe intelo, mbola azo noleferina,
Saingy ny azy tsy izay fa be dia be, miverimberina!

DADAN’i ZINA (24-11-20)