NY MPITONDRA ANKEHITRINY

Toa manjary fahazarany ny miteniteny foana,
Raha vao vory ny vahoaka ka manemitra ny kianja.
Ahoana indray no hidedahana ary ahoana no hisehoana?
Vokany dia be dia be ny teny tsy voalanjalanja!

Toa tsy tazana mihitsy izay mba marika hotarafina,
Ary indrindra irony toetra, mendrika hatao modely,
Fa ny atao sy ny tenenina, zary maha-te hiafina.
(Asa ve fa, sanatria, toa mifanahin-jazakely!)

Ny vahoaka dia terena hametraka ny arovava,
Saingy maro ny mpitondra no tsy mety hanao izany.
Efa niova sa ahoana? mba lazao anay mazava
Raha ny marika alain-tahaka, lasa miainga avy any ambany!

Lasa aretina mitaiza ity ilay hoe “mihoerahoera”,
Ka ny lelany mihitsy no manjary tsy voafehiny.
Aiza izao ilay Miami sy ilay Paris naderadera?
Tsisy hatreto ka izany no hanaratsy ny tarehiny!

Colisée moa tsy lazaina fa dia tena diso toerana.
Novitaina an-tsokosoko sy tsy nisy teny ierana.
Ireo taranaky ny andriana, nisafoakan-katezerana,
Ary nanamafy indray fa “io tsy maintsy horavana”.

… Koa dia asa izay ho tohin`ireo teniteny foana
Mahazatra ny mpitondra sy ny manam-pahefana,
F`efa tafahoatra loatra, ka dia fomba manahoana
No hiverenany ho “modely” sy ho “mpankatò lalàna”?

DADAN’i ZINA (23-11-20)