COVID-19 – Pfizer – Mahatratra 90% ny fahombiazan’ny vaksiny, ary mba manao ahoana ny CV0+ Pharmalagasy?

Nanambara ny orinasa Pfizer mpamokatra fanafody androany faha-9 novambra 2020, fa nahatratra 90% ny taham-pahombiazan’ny vaksiny entina miady amin’ny coronavirus. Mihoatra lavitra noho ny vokatra nandrasana izany ary inoana fa mbola hitohy izany eto am-panohizana ny fikarohana.

Efa miditra fanandramana Phase 3 ankehitriny ny orinasa Pfizer miaraka amin’ny orinasa alemaina BioNTech. Ary mpilatsaka an-tsitrapo 43.538 nanomboka ny 27 Jolay no nanaovana fanandramana, ary 38 955 no nahazo fatra faharoa tamin’ny vaksininy.

“Mankasitraka ireo vehivavy sy lehilahy mahiratra nandray anjara amin’izao fahombiazana goavana izao aho, izay manome fanantenana amin’izao ady izao”, hoy i Biden tao anaty ny fanambarany.

Tsy mbola nahazoana vaovao na salanisa aloha hatreto ny CVO+ (gélule anti-COVID) vokarin’ny orinasa Pharmalagasy izay notokanan’ny filoha mamimbahoaka.

https://edition.cnn.com/2020/11/09/health/pfizer-covid-19-vaccine-effective/index.html

https://nypost.com/2020/11/09/joe-biden-praises-pfizers-covid-19-vaccine-breakthrough/

https://www.rfi.fr/fr/afrique/20201006-madagascar-apr%C3%A8s-le-covid-organics-le-pr%C3%A9sident-annonce-une-g%C3%A9lule-anti-covid