HO FIANJERANA MIEZINEZINA !

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra fa hoe
Rehefa akimpiny ny masony, tsy sokafany elabe,
Dia foana ho azy ny krizy sy ny fahoriam-bahoaka,
Ka hilamina ny tany, ny mpanohitra hitsoaka?

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra fa hoe
Raha toa tampenany ny sofiny ka tsy avelany handre,
Dia foana ho azy ny antsoantso sy toloko sesehena,
Ka hisandratra indray, hiarin-doha ny firenena?

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra fa hoe
Rehefa vita fitokanana ilay atao hoe “colisée”,
Dia tena hangina ny “olobe” izay hita fa nivazavaza,
Ka ho azony ny dera, voninahitra sy laza?

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra fa hoe
Rehefa ananany ny hery, azony ny volabe,
Dia ho tanteraka amin’izay ny nofinofy nantenainy,
Ka ny seza, ho azy irery, mandra-pialam-pofonainy?

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra toy izany,
Ka aleony aloha miliba, sy mandeha mitety tany,
Nefa volan’ny vahoaka no ampiasainy sy laniany,
Miaraka amin’ireo akama sy ireo fianakaviany?

Ny mpitondra ankehitriny ve dia mihevitra fa hoe
Ny fankanesana ao Frantsa no hany tena lakile,
Ka dia ny baikon’i Frantsa hatrany hatrany no arahina,
Noho ny maso “lasa efatra” sy manomboka ho pahina?

… Tsia dia tsia ka mihevera ry mpitondra be fitetika,
Diso lalana ianareo, diso kajy koa matetika,
Fa rehefa ny mpitondra no tsy mihaino, tsy hay fehezina,
Dia efa tena manantomotra NY FIANJERANA MIEZINEZINA !

DADAN’i ZINA (04-11-20)