Fanarenana an’Anatirova – Tsy azo kosehina ny zava-bitan-dRavalo

Ny Valosoa

Mitsingerina rahampitso 6 Novambra ny faha-25 taona nahamay ny Rovan’Antananarivo, na Anatirova. Raha tsiahivina fohy ny zava-nitranga tamin’izany dia ny alatsinainy 6 Novambra 1995, ampitson’ny nanatontosana ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna voalohany tamin’ny Repoblika fahatelo no nirehitra Anatirova.

Niolomay Antananarivo iray vohitra sy i Madagasikara manontolo raha nandre ny zava-nisy , vetivety dia niely ny vaovao ka nivarahontsana avokoa ireo teratany malagasy tany ivelany, tsy ireo malagasy ihany no nahatsiaro nangirifiry, fa hatramin’ireo vahiny izay niraiki-po tamintsika malagasy koa , vahoaka sesehena no niakatra teny an-dRova namonjy ny afo, kanefa dia tsy nisy azo natao , potika avokoa ireo lapa tao , nisy ihany ireo fanaka sasany azo navotana navoaka tao an-dapa.

Samy nentin’ny hafanampo avokoa tamin’izany , ka ny nibahana tao an-tsain’ny olompirenena dia ny hoe tsy maintsy tafarina ny Rova. Maro ireo fikambanana nijoro , nanokatra kaonty tany amin’ny banky , nandraisana ireo fitia tsy mba hetra.

Ny Filoha Zafy Albert no teo amin’ny fitondrana tamin’izany, tratran’ny fampiatoana nataon’ireo solombavambahoaka ity filoha ity ny taona 1996. Nisy ny fifidianana dia tafaverina teo amin’ny fitondrana indray ny Filoha Ratsiraka, natsangan’ny fitondrana notarihiny ny nantsoina hoe DNOR, na “Direction Nationale Opération Rova”, tsy dia hita anefa izay asa nisongadina vitan’ny Dnor, ary tsy nisy ny mangarahara tamin’ ireo fanampiana nirotsaka tany amin’ireo fikambanana samihafa.

Ny taona 2002 voafidy ho filohampirenena ny Filoha Marc Ravalomanana, nandray fepetra ny fitondrana notarihiny nandrava ny Dnor ary nampitsahatra ny fanangonam-bola momba ny fanarenana ny Rova, satria hita hoe tsy dia matotra loatra ilay fomba fiasa, tsy nahagaga raha lasa fitenin’ny tanora manao vazivazy zary tenany ny hoe : ” manomeza kely hanarenana ny Rova”,rehefa te handena tenda ry zalahy.

Ny taona 2005 nahafeno 10 taona ny nahamay ny Rova dia nanambara ny Filoha Ravalomanana, fa hiroso amin’izay amin’ny fanarenana ny Rova, satria efa ampy ny fotoana niniana nanginana, mba hahatonga ny tsirairay samy hisaintsaina, natsangan’ny fitondrana ny CNP (Conseil National des Patrimoines), izay nadika tamin’ny teny malagasy hoe Filankevi-pirenena momba ny Vakoka, Andriamatoa Razafimihary Mejamirado no filohan’io Filankevimpirenena io, nosokafana ny kaonty vaovaon’ny Cnp tany amin’ny banky, ka io ihany no nomena alalana handray ireo fitia tsy mba hetra avy amin’ireo malalatanana. Nanao tsy omby aloha ny vahoaka malagasy samy nitondra izay foiny, toy ny fikambanana, fianakaviana, orinasa, sekoly, olontsotra, sns… hatramin’ireo masoivoho vahiny, tsy ny teto an-tanindrazana ihany fa nandray anjara tamin-kitsimpo hatramin’ireo teratany malagasy tany dilambato, ary tsy vitsy tamin’ireny mpiray tanindrazana tamintsika ireny no nahavita nandresy lahatra ireo hafa firenena nandrotsaka tao amin’ny kaontin’ny Cnp. Ny anton’izany fihetsika maha te- hidera izany dia tsotra, nahatoky ny mpitondra faratampony ireo mpandrotsabola, ka tsy nisy ny fisalasalana, tsiahivina fa ny Sabotsy 5 Novambra 2OO5 dia nisy fotoampivavahana lehibe nitondrana ambavaka ny fanarenana, notanterahina tao amin’ny Fiangonana Tranovato Anatirova izay efa tafarina, satria nahazo famatsiambola tamin’ny LMS na “ London Misionary Society”, ny tenan’ny Filoha Ravalomanana mivady mihitsy no tonga nanome vonihahitra izany fotoan-dehibe masina izany.

Natomboka ny asa , nataon’ny Cnp ho vaindohan-draharaha ankoatran’ny fikarohana ny hoenti-manana, ny fandrindrana ny fifampidinihana teo amin’ ireo manampahaizana mpikaroka momba ny vakoka sy ny tantara, sy ireo teknisiana havanana amin’ny fanarenana, ka nampiarahina ny lafiny hairaha sy ny haivakoka ary natao laharampahamehana ny fanajana ny hasin’ny tantara; nizotra tamim-pilaminana ny asa fanarenana, saingy indrisy, fa rehefa tonga ny fanonganampanjakana tamin’ny taona 2009 dia sembana tanteraka ny asa fanarenana, nesorina tsy ho mpitantana ny Cnp intsony Andriamatoa Razafimihary Mejamirado, olon-kafa no nasolo azy, nanomboka teo dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny asa, tsy nisy intsony koa ireo nandrotsaka tao amin’ny kaontin’ny Cnp, mazava ny antony tsy nahatoky ny mpitondra faratampony nanongampanjakana ireo mpandrotsabola malagasy sy vahiny, ka naleony notehirizina tany an-tranony ny vola, toy izay ariana any amin’ny tsy azo antoka.
Tapitra ny tetezamita, niakatra teo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajaonarimampianina, ary taorian’ny fifidianana farany teo dia ny Filoha Rajoelina indray no nandray ny fitantanana ny firenena, tsy dia hita izay fanarenana nataon’ny fitondrana ankehitriny fa dia mbola nanohy ny fitavozavozan’ilay nodimbiasana teo aloha ihany, ny tena loza aza raha fanarenana no nandrasana dia fanorenana mamoa-doza an’ilay “Colisée de la honte “ no nataon’ny fitondrana Rajoelina, nolazaina fa misy hono ny “comité scientifique” mandinika ny lafiny saropady toy ny tantara , ny vakoka, kanefa tsy sahy milaza akory ny fitondrana foibe sy ny ministera miahy ny kolontsaina hoe : iza avy ireo mpikambana ao amin’izany “ comité scietifique” izany, ny nahamenatra moa dia niaro an-jambany nandritra ny fotoana lavalava tao amin’ny haino amanjery Ingahy Filoha.

Fa 6 Novambra 2020 rahampitso, ho tokanana ny Lapan’i Besakana naorin’Andrianjaka, ilay mpanjaka nanorina ny tanànan’Antananarivo, sy ny Lapan’i Manjakamiadana naorin’ny Mpanjakavavy Ranavalona voalohany , ilay lapa mijoalajoala indrindra izay tazana raha vao miditra ny renivohitra , tsy nandrenesam-peo kosa ny mikasika ilay “Colisée de la honte”, na ho tokanana na tsia fa ny andrasan’ny vahoaka tsy mankasitraka ny ota-fady dia ny hitenenan’Ingahy Filoha mazava hoe tsy tokanana ilay “Colisée”, kanefa tsy ampy izany fa arodana tanteraka hiala ao Anatirova, fa mahavery hasina ny Rova . Nambara ihany koa fa amin’izao faha25 taona nahamay ny Rovan’Antananarivo izao dia ho tonga eto ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo, izay marihina fa tsy ilay very nanjavona tamin’ny fitondrana tetezamita akory io ho tonga eto Madagasikara amin’ny anio io, tokony hisy fanazavana ihany koa mikasika ilay very tsy hita.

Voizin’ny mpitondra mafy ankehitriny fa tsy nisy mpitondra nahavita nampody ilay satroboninahitry ny mpanjakavavy hono raha tsy Ingahy Filoha ankehitriny, ny tena marina anie tsy ireo mpitondra nifandimby nitondra nandritra ny 60 taona mahery no tiana resahina, fa ny masaka ao an-dohan’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao dia ny hamafa ny anaran’ny Filoha Ravalomanana amin’ny fanarenana ny Rova, saingy ny vahoaka Malagasy dia tsy bado fa mahalala ny tena zavamisy marina, ny 80 isanjaton’ny asa fanarenana ny Lapan’i Manjakamiadana dia efa vitan’ny fitondrana Ravalomanana, fa ny ambinambiny sisa no novitain’ireo mpanongampanjakana , i Dada izany no tena nahavita ny fanarenana, ka tsy azo kosehana izay zava-bitany izay.

Ho tokanana ny zava-bita etsy Anatirova, andrasana amin’ny lanonan-dehibe toy ireny ny ivoahan’ny mangarahara tanteraka , hoe Iza no nanao izatsy?ary inona no nataon’izaroa ? ary ny tsy kely indrindra tokony homena lanja, ilaina havoaka ho fanta-bahoaka ny vola azon’ny fitondrana Ravalomanana sy ny azon’ireo mpitondra hafa, faran’izay laharampahamehana ireo voalaza ireo, satria izany no atao hoe fitokanana fa sanatria tsy ny fety aman-danonana izay tokony ho fadiana, satria mbola maharary ny vahoaka malagasy ny fahamaizana, sady tsy mbola misy tokontaniny koa ny fanarenana ireo lapa hafa toa an’i Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa, sns… ary tsy ny fety koa no zava- dehibe, satria fahavoazana lehibe ny fahamaizana, sady ny mpamosavy koa anie no mandihy ambony fasana e !