NY SEHATRY NY FAMPIANARANA

Raha izay mbola ho toy izao no anaovana ny fampianarana,
Dia minoa fa lavitra eto izany atao hoe fivoarana.
Tena hihena ny fahaizan’ny tanora Malagasy,
Ary maro no hihemotra ka handao ny lakilasy.

Tranobe manara-penitra no nofisina hatao,
Kanefa “tsisy tokotaniny” izay mpampianatra ho ao.
Ireo mpampianatra FRAM, maro no mibabababa,
F’efa firy taona izao no nikarama “vary daba”!

Dimy alina isam-bolana, izay no valin-kasasarana,
Ary ny hahitana izany dia ny seha-pampianarana.
Misy anefa be fandraoka sy tsy menatra any ho any.
(Tsy sakafo indray antoandrony izany mari-bola izany!)

Izao dia re fa hoe hofoanana ny fanadinana CEPE.
Mba nisy ve fakàna hevitra tamin’iretsy mpanabe?
Sa efa tena mahazatra ilay atao hoe fidedahana,
Ka ny zavatra tsy hay no toa mazàna ibitahana?

Etsy andaniny dia hoe ny bacc koa dia hiova indray,
Fa dia ho foana ireo sokajy nahazatra hatramin’izay.
Ny fanovana toy izany, tena mila “teny ierana”,
Fa tsy anaovan-didy jadona ry mpitondra fanjakana!

Tsapatsapa sy andranandrana no mitohy tsy ankijanona.
Fakan-tahaka no betsaka ka tsy misy zava-banona.
Tsy izay mety tany ho any dia heverina ho tsara.
Manana an’izay iavahany raha i Madagasikara!

…Ka raha mbola ho toy izao no anaovana ny fampianarana,
Dia ho gidragidra hatrany no hitohy ka tsy hifarana.
Tsy mifanandrify mantsy “ny ilaina” sy “ny omanina”,
Noho ny ataonareo mpitondra adalam-bola, sain-kanina!

DADAN’i ZINA (02-11-20)