Rajoelina – Voafehy ny COVID-19 – Fa mbola hamokatra ‘gélules CVO” atao inona?

#Rajoelina #COVID-19 #CVO

Ankehitriny, hoy ny filoha mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina, ny ‘artesunate’ samirery dia manasitrana amin’ny coronavirus … mihoatra ny 70% ka hatramin’ny 80% amin’ireo tratran’ny valanaretina COVID-19.

Saingy hatreto aloha araka ny nambaran’i Abel Ranaivoson, filohan’ny sindikàn’ny mpitsabo eto Madagasikara, dia mbola tsy nisy vokatra ara-siantifika nivoaka ofisialy.

Etsy ankilany, lazaina fa ny orinasa Pharmalagasy vao notokanan’ny filoha dia mamokatra ‘gélule’ 32.000 isa isan’andro ary efa manana tahiry hatramina 275 tapitrisa. Atao inona daholo? Izay angaha no laharampahamehana? Sady angaha tsy efa resy ny valanaretina? Ny COVID-Organics noderaderaina rahateo hoe mahasitrana COVID-19 efa tsy misy mila an’izany ny firenena any ivelany.

Araky ny tarehimarika nanomboka ny volana marsa 2020, dia 16.493 no isan’ny fitambaran’ny tranga COVID-19 ary 232 no namoy ny ainy, raha 25 tapitrisa no isan’ny mponina eto Madagasikara. Maro no efa tsy mahatoky ny antontanisa avoakan’ny Centre de Commandement Operationnel (CCO) eny Ivato.

Eo amin’ny fitiliana ny soritraretina dia sahabo eo amin’ny 300 (0.013/mponina 1000 hatramin’ny 13/10/2020) eo no vita ao anaty iray andro raha atambatra ny PCR (90%) sy Genexpert (10%). Raha atao ny fampitahana, any Frantsa ohatra dia mahatratra 185.000 (19/10/2020) ny fitiliana vita ao anaty iray andro. 85.407 (16/10) ny fitambaranan’ny fitiliana vita teo Madagasikara efa ho fito volana izay.

Raha ankinina amin’ireo zavamisy ireo ny famakafakana dia olona vendrana na manao fanahy iniana ratsy no sahy hilaza fa voafehy ny aretina.

Nangonin’ny Valosoa Vaovao

Le Monde
Andry Rajoelina: “Aujourd’hui, on a pu constater que l’artesunate seul guérit le coronavirus … à plus de 70 à 80% des malades atteints du COVID-19
https://www.lemonde.fr/afrique/video/2020/10/08/madagascar-le-president-rajoelina-lance-la-gelule-contre-le-coronavirus_6055316_3212.html

Tatitra (avy amin’ny CCO) fitambaran’ny fitiliana valanaretina coronavirus nanomboka ny volana marsa 2020: 11/10/2020 83.458, 13/10/2020 84328 (+870), 16/10/2020 85407 (+1079)

Fitiliana vita isan’andro isaky ny firenena manerantany
https://docs.google.com/spreadsheets/d/1iDrNZRAGQqdm_1mOoO1xqQ5r8EMdj9deAZAo-gVFayU/edit?usp=sharing
https://ourworldindata.org/coronavirus-testing