TSY ZAKANAREO NY DEMOKRASIA ?

Tsy zakanareo ny demokrasia
Nefa maminareo ny mitaingina seza?
Ampiriatinareo ny olo-maro satria
Manakiana isan’andro anareo ve ry ngeza?

Tsy zakanareo ny demokrasia
Nefa anie ny vahoaka no masi-mandidy?
Ianareo no matahotra ny hikodia
Ka ny vavam-bahoaka no tiana hihidy?

Tsy zakanareo ny demokrasia
Fa ‘nareo efa zatra manao lalam-poza?
Faingàna, ahitsio amin’izay re ny dia
F’efa mananontanona anie izany loza!

Tsy zakanareo ny demokrasia
Dia nakatona, tsy azo ivoriana ny kianja?
Vao mainka hitombo ireo olon-tsy tia
Ka hirehitra ny afo, hanakaiky ny vanja.

Fianarana anie ny demokrasia
K’aza manampin-tsofina na miala bala.
Tsy atao hankarary io na koa hankahia
Fa rehefa tsy zaka dia tsara ny miala!

DADAN’i ZINA