TIM sy Vondrona Panorama, Mahajanga – Misy tombo sy hala ny lalàna eto amintsika

Helisoa

Araka ny fotoana nifanomezana tamin’ny vahoakan’i Mahajanga, faritra Boeny, ho an’ny hetsika PANORAMA sy ny antoko TIM, tsy raikitra hatramin’ny farany ny hetsika tokony hifampizaràna vaovao teo amin’ireto farany izay tokony ho natao tao amin’ny Magro ny sabotsy teo tamin’ny 4 ora.

Misy arak’izany ny tombo sy hala ho an’ny fampiharana lalàna eto amintsika, ny mpitondra, ao anatin’izany ny filoha Andry Rajoelina afaka namory olona mihoatra lavitra ny 200 nandritra izay hamehana ara-pahaasalamana izay. Ny depiote hanao tatitra, ny mpanohitra haneho hevitra, tsy navela hanao izany tany an-drenivohitry ny faritra Boeny. Na nisy aza ny fifampiresahana teo amin’ny Préfet an’i Mahajanga sy ireo tomponandraikitry ny antoko TIM sy ny Vondrona Panorama tany antoerana dia tsy tanteraka ny hetsika, na dia toerana an’ olontsotra ” domaine privé” aza ny Magro Mahajanga.

Voahosihosy tanteraka ny zo sy ny fahalalahana haneho hevitra eto Madagasikara hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, ary famoretana hoy izy no nitsena ny vahoaka nikasa haneho hevitra. Na izahay solombavambahoakan’i Madagasikara aza tsy navela nanao ny asanay, hanao tatitra tamin’ny vahoaka.

Eto dia mipetraka ny fanontaniana, mahazaka fisiana mpanohitra tena mijoro manao ny asa maha-mpanohitra azy ve ny mpitondra? Mbola afaka mitonontena ho mandala ny demokrasia ve ny mpitondra ankehitriny? Mandalo anie ny mpitondra fa tsy misy mipetraka mandrakizay eo amin’ny toerany hoy izy, ka tokony haka ohatra ny mpitondra fa tsy hoe rehefa eo ianao dia hanampatra ny fahefana amin’ny vahoaka tsy mitovy hevitra aminy.